Tsena sy fanjifana

Hiakatra ny tsena ny chips saonjon’Ankazobe


  • Zoma 15 Septambra 2023

Milina fanodinana voatabia ho azo tehirizina, ho ketchup na ho lasa saosy voatabia ho an’ny distrikan’Ambohidratrimo

raha fanamboarana chips avy amin’ny saonjo, ovy na vomanga kosa no anjaran’ny distrikan’Ankazobe. Naterina omaly ireo milina ireo, tafiditra anatin’ny Tetikasa ODOF na Taninketsa Indostrialy. Mamoaka voatabia 25.770 taonina isan-taona Ambohidratrimo. Anisan’ny Kaominina mpamokatra voatabia betsaka indrindra ao anatin’io distrika io i Mahitsy, ka nosafidiana ametrahana ny milina fanodinana voatabia. Afaka manapotsitra voatabia 1 taonina isan’ora ny Taninketsa Indostrialy ao Mahitsy. Raha namokatra voatabia manodidina ny 700 taonina isan-taona ny mpikambana ao amin’ny kaoperativa Tabia dia tsy maintsy hanao ezaka hampitombo avo roa heny izany ry zareo araka ny nambaran’ny Filohany Randrianarisoa Jean Rodin, noho ny fahazoana izao milina izao. Efa lohalaharana amin’ny famokarana saonjo kosa Ankazobe. Efa tonga hatramin’ny fanondranana ny vokatra mankany ivelany izany. Nahazo milina fanamboarana chips avy amin’ny saonjo ny ao an-toerana. Hampitombo ny vola miditra amin’ny tantsaha ny fahazoana izy io, araka ny faharesen-dahatry ny mpitarika kaoperativan’ny mpamboly saonjo, Rakotoamboa Théodore. Saonjo 100 kilao isan’ora no ilain’ny Taninketsa Indostrialy ao Ankazobe hanaovana chips. “Manomboka izao dia chips avy aty Ankazobe no ho jifaintsika”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy, izay tonga nanatitra ireo milina ireo ary nanentana ny rehetra hiray hina hiaro ny vokatra avy eto an-toerana ho fifampitsinjovana amin’ireo tantsaha Malagasy.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT