Toekarena

Tsena Pochard Mpanao asa tanana 75 mianadahy nosalorana medaly


  • Sabotsy 20 Janoary 2018

Maherin’ny roa tapitrisa amin’ny Malagasy no mivelona amin’ny asa tanana. Mitondra vokatra ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara izy ireo satria manome 15 % hatramin’ny 17 % amin’ny harinkarena faobe. Nihatsara ny tsena tamin’iny taona 2017 iny raha oharina ny taona 2016,

hoy ny Filohan’ny Fikambanana Arts–Malagasy Miray (AMM) Rakotoarivony Aimé. Na dia izany aza, maro ny olana sedrain’izy ireo toy ny fihenan’ny akora fototra ilaina, ny tsy fahampiana eto an- toerana noho ny fanondranana ka zary tompony mangataka atiny ny mpanao asa tanana Malagasy. Mitaky fepetra mazava sy fanaraha-maso matotra ny amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana ny akora fototra toy ny hazo, tandroka, rofia, hoditra izahay, hoy ihany izy ary tsy matahotra ny hifaninana amin’ny firenena hafa. Tetsy an-daniny, ny minisitry ny kolontsaina, fampiroboroboana ny asa tanana ary ny fiarovana ny vakoka Jean Jacques Rabenirina dia nilaza fa andraikitra voalohany tokony horaisin`ny mpanao asa tanana ny fidirana amin`ny sehatra ara-dalàna sy matihanina. Manaraka izany tokony hohamafisina, hoy izy ny fahaiza-manao ary ampiarahina amin’ny fihazakazahan’ny fandrosoana. Samy niaiky ny roa tonta fa mbola maro ny ezaka tsy maintsy atao hampandroso ny asa tanana eto amintsika.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT