Toekarena

Tsena iraisam-pirenena 250 dolara ny kilaon’ny Lavanila Malagasy


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Hisokatra ny 15 septambra izao ny taom-panondranana lavanila eto Madagasikara ka hifarana ny 31 mey 2021.

 

 

Ho fiatrehana izany dia efa nisy ny fidinana ifotony nataon` ny minisiteran` ny indostria sy ny varotra ary ny asa-tanana (MICA) tany SAVA. Nisy rahateo ny dinika sy ny fifanakalozan-kevtra niarahany tamin` ireo mpiantsehatra amin` ny lavanila. Teboka telo no nivoitra nandritra izany dinika izany, hoy Lantosoa Rakomalala, minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny asa-tanana. “ Voalohany, nanazava ny fisokafan`ny tsenan` ny lavanila amin` ny 15 septambra sy ny andraikitra rehetra mandritra ny fanokafana lavanila. Manaraka izany, ny mahakasika ny vidiny ankapobeny (prix de référence) hahafahan` ny tsena iraisam-pirenena mijery ihany koa ny hoe toy ny ahoana ny tombam-bidin` i Madagasikara amin` ity taona ity. 650 000 ariary ny “vanille pré-stabilisée” eto amin`ny tsena anatiny ny vidiny. Farany, amin` ny herinandro ambony dia hamoaka ny lisitry ireo mpanondrana lavanila ara-dalàna” . Araka izany, napetraka ho ny vidina ambany eo amin` ny sehatry ny fanondranana ka ho 250 dolara isaky ny kilao izany. Nanamafy moa ity minisitra ity fa ho hentitra ny minisitera amin` ny fampanajana io fenitra io.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT