Toekarena

Tsena-barom-panjakana isam-paritra Ho voafehy ve ny kolikoly ?


  • Talata 16 Jona 2020

Nanambara ny Praiministra Ntsay Christian omaly manoloana ireo depiote fa anisan’ny fiovana goavana hatomboka amin’ity taona ity ny famindrana ny fitantanana ny tsena-baro-panjakana any amin’ny faritra toy ny fananganana sekoly sy tsena ary biraom-panjakana isan-karazany.

 

 

Ka ho any amin’ny faritra no hatao ireo fitaomana ny tolo-bidy (Appel d’offre)  anatiny isan-karazany mba ho tena tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana ireo any amin’ny faritra. Izany dia mba ahafahan’ireny orinasa madinika sy salantsalany tsy miankina ireny any amin’ny faritra mba mandray anjara amin’ireny tolo-bidim-panjakana ireny. Namafisin` ny filoha Rajoelina rahateo izany nandritra ny lahateny nataony tamin` ny alahady lasa teo. Miroso tokoa amin` ny fitsinjaram-pahefana isika saingy ahoana ny fanaraha-maso an` ireo olom-boafidy? Ho tohizana ny famatsiam-bola eo amin’ny CLD (Comité local de developpement) ary hitondrana fantsarana ny rijan-teny mifehy manokana azy mba hampahomby azy bebe kokoa kanefa iaraha nahita ireny tsy fifandrindrana teo amin` io resaka CLD io ka miteraka korontana eo amin` ny depiote sy ny ben` ny tanàna. Ohatra fotsiny ny fifandirana teo amin` ny depiote voafidy tany Antsiranana sy ny ben` ny tanàna any an-toerana. Misy ihany koa ny kolikoly amin`ireny tolo-bidim-panjakana ireny. Ity farany anefa dia mbola lavitry ny afo ny kitay ny fifehezan-tsika azy io.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT