Toekarena

Tsena-barom-panjakana Be ny teny midina ka mahatonga ny kolikoly


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Tsy vitsy ireo velon-taraina noho ny kolikoly momba ny tsena-barom-panjakana. Misy aza ny tsena tsy hanaovana tolotra mihitsy fa ifanarahana fotsiny amin` izao. Misy ireo mpandraharaha sasany nahazo tsena nefa tsy nahafeno fepetra takiana amin` ny bokin` andraikitra

 

 

 

. Ny tolotra sasany aza dia tsy ampy fanaraha-maso. Maro ireo mpandraharaha milaza fa misedra olana matetika noho izay kolikoly eo amin`ny tsenam-panjakana izay. Mbola sarotra anefa no hifehy izany. Ny SAMIFIN aza dia nanamafy nandritra ny tatitra nataony “isan`ireo mbola sarotra eto amintsika ny momba ny fanomezana tsenam-barom-panjakana izay hisian`ny teny midina matetika”. Anisan’ny famotsiam-bola mantsy ny fandefasana vola vahiny tsy ara-dalàna izay natao hialana amin’ny fanaraha-maso sy/na ny fitsirihana ataon’ny sampan-draharahan’ny hetra eo an-toerana. Raha tsiahivina dia miisa 430 ireo fanambarana famotsiam-bola mampiahiahy tonga teo amin` ny SAMIFIN, ka 267 dia avy amin` ny banky, araka ny tatitra nataon` ny SAMIFIN ny taona 2019.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT