Toekarena

TSENA B –Village Voara Manasongadina ny vita Malagasy


  • Sabotsy 09 Desambra 2017

Nosokafana omaly tamim-pomba ofisialy tetsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ary haharitra telo andro, ilay hetsika tsena B karakarain’ny Infinity Group sy ny First evenementiel.

Tranoheva manodidina ny 350 isa no mandray anjara, ahitana ireo kojakoja rehetra ilaina amin’ny fiainana andavanandro sy mandritra ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona , toy ny akanjo, ny kiraro, ny pôketra, ny kilalao ho an’ny ankizy, ny sakafo, ny kojakojan-dakozia… Mampiavaka ity hetsika ity, araka ny fanazavan-dRtoa Mariah Andria, ny fandraisan’olona izay tena amim-pitsikitsikiana tokoa. Ezahina tsy hisy mpilahatra eo amin’ny vavahady fidirana, hoy izy, ankoatra ny fihenam-bidy omena ny mpanjifa. Manodidina ny 25.000 isa ireo mpitsidika andrasana amin’izany, ka ho an’ireo tia sy mankafy ireo karazana vokatra sy asa tanana vita Malagasy dia betsaka ihany koa ireo mpandraharaha avy amin’ny faritra 22 no tonga mandray anjara sy mampiranty ny vokatra vokariny eny an-toerana. Tsiahivina fa misy ny fiara navety mitondra ireo mpitsidika, miainga eny amin’ny INSTAT Anosy hatreny Andohatapenaka, isan’andro, ary saran-dalana tokana ihany no aloa. 2.000 Ar kosa ny vidim-pidirana. Marihina fa hisy ny trophée hatolotra ireo tranoheva mendrika indrindra, mpandray anjara mendrika…  rahampitso alahady.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT