Toekarena

Tsena “Avance Center Behoririka” Nilavo lefona ny ankamaroan’ireo mpivarotra


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Sahirana tanteraka ny mpivarotra ao amin’ny tsena hofaina amin’ny Sinoa Avance Center amin’izao fotoana izao.

 

 

 

 Miala an-daharana tsikelikely ireo mpivarotra, indrindra ny any amin’ny rihana fahatelo sy fahefatra. Efa bangabanga be ny toerana ary na ireo mpividy lamaody hoentina hifampiarahabana noho ny taona vaovao aza vitsy dia vitsy.  Mangina tahaka ny isan-taona ny tsena rehefa volana febroary tahaka izao saingy tamin’ity kosa dia matetika loatra no tsy mahavaky atody izahay, hoy ny fanambaran’ny mpivarotra iray. Tsy mitsahatra niakatra ihany koa ny hofan-trano nandritra ny 3 taona farany ka nanempotra tanteraka ireo mpivarotra. Nahatratra 10 hatramin’ny 50% izany nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’ity taona vaovao 2020 ity. Manodidina ny 500 000 Ar ny hofan-trano ambany indrindra ary tafakatra 2 000 000 Ar ny ambony indrindra amin’ireo tsena hofaina amin’ny sinoa.  Ny ambany rihana dia saika lafobe avokoa ny hofany. Mikaikaika ireo mpivarotra ary maro no nilavo lefona. Tsy vitsy ihany koa ireo niakatra fitsarana mihitsy amin’ny tsy fahavitan’ny hofan-trano.   

Manampy trotraka ny Coronavirus

Tamin’ny 20 janoary teo no nisy entana farany tonga avy any Sina araka ny fanambaran’i Johny, mpivarotra lamaody. Tamin’izany dia efa saika nody avokoa ireo mpiasa mikarakara ny fandefasana entana avy any Sina. Nalefa fiaramanidina no nahazoana ireo entana, hoy hatrany ny fanambarana fa tsy tahaka ny mahazatra nalefa sambo intsony. Izany rehetra izany dia takaitran’ilay aretina Coronavirus. Mbola mahatratra hatramin’ny jona ny tahiry, hoy i Johny, efa tsy manana intsony kosa ny ankamaroan’ireo mpifanandrina aminy. Ny zavatra mampalahelo, hoy ireo mpivarotra dia tsy mitsitsy mihitsy ny tompon-trano ary tsy te-hahalala satria raha vao misy fahatarana kely dia mitomboka foana ny zana-bola. Tsikaritra ihany koa fa lasa maro ny tsy an’asa satria ny ankamaroan’ireo mpandraharaha mivezivezy sy manafatra entana tany Sina dia nanana mpiasa avokoa. Rehefa nijanona izy ireo ankehitriny dia very asa avokoa ireo niasa tao aminy ary sahirana amin’ny fitadiavana asa indray.

Tsirinasolo

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT