Toekarena

Trosan’ny Air Madagascar 80.000.000 dolara Karohana miaraka amin’ny mpamatsy vola ny vahaolana


  • Alatsinainy 13 Jona 2022

Haverina amin'ny laoniny ny Air Madagascar. Efa mitady ny fomba rehetra hanarenanana izany, ny fitondram-panjakana, raha ny nambaran'ny minisitry ny Fitanterana, Ranjatoelina Roland, ny sabotsy teo.

Misy ny fifanarahana amin'ny mpamatsy vola hahitana vahaolana amin'ny trosa mitentina 80.000.000 Dolara Amerikanina. Misy koa fifanarahana amin'ny fanjakana sy amin'ireo manana fahafahana mifandraika amin'izany. Misy koa ny ''négociation bilatérale'', ''Raha rahampitso no mahita vahaolana hanafoanana ny trosa isika, miverina ho azy ny Air Madagascar'', hoy hatrany izy. Ankoatra izay, efa misy koa ny fifanarahana amin'ny tompon'ireo ATR miisa 6 hafa mba ahafahana mamaly ny filan'ny mpizahatany maniry ny hitsidika ny firenena malagasy. Be ny mpizaha tany tonga eto amintsika. Tsy mahazaka ny ATR roa, hoy izy. Tsy afaka manofa fiaramanidina vaovao isika raha tsy voaloa ny trosa. Noho izany, sady mandroso amin'ny fifampiraharahana ahafahana mandoa ny trosa, no mifampiraharaha amin'izay manana fiaramanidina hafa, hampidirana fiaramanidina vaovao, hoy ny minisitra misahana ny fitaterana. Hatao fifanarahana mandritra ny 3 volana izany ary azo hatsaraina, hoy izy. Ny antony dia mba hahitan'ny olona rehetra ny fandrosoan'ny orinasa. Afaka manampy fiaramanidina isika rehefa tena misy ny “pression'', hoy izy. Tanjon'ny minisitera ny hanatsara sy hampandroso ny kaompania Air Madagascar, ary hanao azy ho singa hampandrosoana ny toekaren'i Madagasikara, raha ny nambarany hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT