Toekarena

Trosa Tsy ho afa-bela i Madagasikara


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Raha ny nanamarika ny taona 2019 teo amin` ny tontolon` ny toekarena dia ny fanafoanana trosa nataon` ireo firenena matanjaka.

 

I Rosia dia efa nanafoana 20 lavitrisa dolara amin’ny trosany, amin’ireo tany mahantra indrindra nandritra ny Sommet Russie-Afrique nataony tany Sotchi ny volana oktobra lasa teo. I Frantsa indray dia nivoy ny atao hoe “moratoire” izany hoe mampiantona ny fandoavana ny zana-bolan` ny trosa amin` ity taona 2020 ity. Noho ny “coronavirus”moa dia nanao fanambarana niombonana ny FMI sy Banky iraisam-pirenena, ny 26 martsa teo, mba hanalefahan` ireo firenena mivondrona ao anatin` ny G20 ny FMI sy Banky iraisam-pirenena ireo trosan` ireo tany mahantra. Midika ve izany fa ho foana sa hiantona ireo trosa? Sesilany aloha ny fanampiana nitobaka nateraky ny valanaretina COVID-19 ho an` I Madagasikara. Saingy rehefa fanampiana ho entina miady amin` ny fahatrana indrindra aty Afrika dia ny trosa aterak` izany no ao ambadika. Na nisafidy ny hiala amin` ny trosa mampahantra aza ny Filoha Rajoelina dia tsy ho afa-bela amin` izany. Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho resy ny COVID-19 saingy ny krizy ara-toekarena dia hitoetra ka tsy maintsy hidi-trosa ny fanjakana hahafahana miatrika izany. Marihina anefa fa ny fampiasana ahitam-boka-tsoa ho an’ny firenena ny vola trosainy no tena zava-dehibe indrindra satria lovain’ny faramandimby ny fandoavana ireny trosa ireny, koa tokony hisy vokatra azo tsapain-tanana ny fitrosana ataon’ny Fanjakana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT