Toekarena

Tranopirintim-pirenena Malagasy Voaarina amin’ny ampahany


  • Alatsinainy 12 Martsa 2018

Vita amin’ny ampahany betsaka ny fanarenana ny Tranopirintim-pirenena.

Tafaverina ny fitokisan’ny mpiray ombon’antoka amin’ity toeram-piasana ity ankehitriny satria efa voailika ny trosany sady tafapetraka ny vina lavitra ezaka, araky ny paikady fanarenana napetraky ny tale Randriamboavonjy Jean Angelson izay voatendry hitantana ity rafitra ity tamin’ny volana aogositra 2015. Paikady vaovao no hanarenana ny taom-piasana nanomboka ny 2016 ka hatramion’ny 2020. « Tsy maintsy manova fomba fijery tanteraka koa izahay manoloana ny vokatry ny « dématérialisation » na ny fialana tsikelikely amin’ny fikirakirana taratasy izay hosoloana « numérique » ka hanakenda ny tranompirinty », hoy ny tale, ka hialana ny fomba fanao taloha fa tsy maintsy manaraka ny fivoran’ny teknolojia vaovao ny mpiasa rehetra. Nametraka drafitra lavitra ezaka amin’ny fitantanany ny tale Randriamboavonjy Jean Angelson, noho izany, hitazona ny fiarenan’ny orinasa ka naminavina ny fampidirana teknisianina mpikirakira ny haitaha maharaka toetr’andro. Kendreny ihany koa ny hiroso amin’ny tsenan’ny « biométrique », hitsinjovana ny hoavin’ny orinasa izay efa nampiditra tombombarotra hatramin’ny taona 2016 sady nahavoailika ny trosany amin’izao fotoana izao. Tranompirinty mitana toerana stratejika eto amin’ny fanjakana ny tranompirintim-pirenena ka ho loza ho an’ny fiandrianam-pirenena ny fahapotehany.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT