Toekarena

Tranombarotra Shoprite Tsy hiala eto Madagasikara fa hiova anarana fotsiny


  • Alarobia 25 Aogositra 2021

Tsy hiala eto Madagasikara araka ny vaovao niparitaka andro vitsivitsy izao ny Tranombarotra Shoprite misehatra amin’ny varotra sy fanjifana eto amintsika, manana ny foibeny atsy Afrika Atsimo.

Hiova anarana fotsiny ihany izy ireo ka manomboka amin’ny volana janoary taona 2022 no hanatanterahany izany. Tsy hisy ho very asa indray araka izany ireo mpiasa an-jatony mivelona amin’ny asa fivarotana ao amin’ny Shoprite fa ho afaka hanohy ny asany avokoa daholo ihany.Raha tsiahivina moa dia manana tranom-barotra miisa 10 eto amintsika ny Shoprite . Firenena miisa 15 aty Afrika kosa no misy azy, ahitana tranom-barotra 3 000, mampiasa olona maherin’ny 141. 000 isa. Anton’izao fiovana anarana izao moa raha ny fantatra ny fisian’ny mpandraharaha vaovao handray an-tanana ny fitantanana izany izay fantatra fa mbola tera-tany vahiny ihany koa.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT