Nampahafantarina omaly alakamisy 15 febroary tetsy amin’ny trano foiben’ny CCIFM Ankorondrano ny andiany fahatelo amin’ny fampiofanana ny orinasa eto Madagasikara.
Tanjona ny fampiakarana ny faripahaizana sy ny fahaiza-manaon’ny isam-batan’olona miainga any amin’ny mpitantana ka hatrany amin’ny mpiasa madinika indrindra. Azo atao tsara izany mba ampiroboroboana ny toekarena Malagasy, hoy ny talen’ny fampiofanana ny orinasa sy ny fandraharahana, Andriamatoa Aimé DEWA. Vitsivitsy ny sehatra nanofanana sy ny mpampiofana roa taona lasa izay fa amin’ity taona 2018 ity dia ampitomboina araka ny filàna misy eo amin’ny orinasa eto Madagasikara izany. Ezahina ihany koa ny fahaiza-manao ara-teknika, indrindra ny fampivoarana ny maha olona izay harena eo anivon’ny orinasa (capital humain) mba hiteraka fampandrosoana ny toekarena. Amin’ny maha fikambanana ny CCIFM kosa dia tsy maintsy ny mpikambana ao ihany aloha no misitraka ny fiofanana, 500 eo izy ireo ary mandray orinasa te hiditra ho mpikambana. Eo amin’ny lafiny saram-piofanana kosa dia misy ny fandraisana anjaran’ny orinasa amin’ny fampandehanana sy ny zavatra mety ilaina mandritra ny fianarana. 84 ny fiofanana hatrehina amin’ity taona ity ary manomboka ny 22 febroary izao ny fampiofanana voalohany amin’ny sehatra isan-karazany toy ny fahaiza-mitantana, marketing, fahaizana mivarotra, serasera, fitantanam-bola …
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.