Toekarena

Trano Printy FLM Miantso ny fanjakana hanamora ny fampidirana ny akora fototra


  • Talata 22 Janoary 2019

Nilaza ny tale jeneralin’ny Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy (TPFLM), Pasitera Lahivelo Jean Donné fa tena lafo ny vidin’ny taratasy avy amin’ireo mpamatsy eto an-toerana noho ny fandoavan’ireo hetra ambony be amin’ny fanjakana.

 

 

 Tokony hojeren’ny fitondram-panjakana mihitsy, hoy izy ny vahaolana fanamorana ny fampidirana ny akora fototra mba hampaharitra ny orinasa mpanao printy rehetra eto Madagasikara. Na izany aza dia ilana fitandremana sy fandanjalanjana ihany koa sao misy ny hosoka sy gaboraraka. Ilaina hatrany ny fandoavan-ketra amin’ny fanjakana saingy tokony hisy fitsinjovana sy politika manokana atao hanatsarana ny fandraharahana amin’ny fanaovana printy. Nanambara ihany koa ny tenany fa tompon’andraikitra ny fitondram-panjakana ny amin’ny tokony hanatsarana ny kalitao eto an-toerana mba tsy ho mena-mitaha amin’ny any ivelany. Amin’izao fotoana mantsy dia potiky ny fidiram-boky avy any ivelany ny eto an-toerana satria tsara kokoa ny kalitao avy any raha oharina amin’ny eto Madagasikara. Iaraha-mahalala ihany koa anefa ny fahefa-mividin’ny Malagasy izay tena ambany ka izay no ilana politika mazava ho fitsinjovana ny mpanjifa sy ny mpamokatra. Tokony hitady vahaolana haingana ny fitondrana satria raha ny zava-misy eto Madagasikara, hoy i Pasitera dia sady ratsy ny kalitao nefa midangam-bidy ny vokatra noho ny fitiavan-tena.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT