Toekarena

Tranga hafahafa Tovovavy niboridana tratra tao anaty valan’omby


  • Talata 03 Martsa 2020

Tranga hafahafa indray no niseho tao Vinaninkarena, distrikan’Antsirabe faharoa ny alin’ny alahady lasa teo.

 

 

Tovovavy iray no tratra tao anaty valan’ombin’olona, tao amin’ny fokontany ankarinomby-Vinaninkarena. Amin’izao fanjakan’ny tsy fandriampahalemana izao dia fanaon’ny tantsaha ny misafo ny omby amin’ny alina ka hatairana ny an’ny tompon’omby nahita zavatra mihetsiketsika tao anaty valan’omby. Nohatoniny moramora ilay valan’omby ka akory ny hatairany fa tena nisy olona mitolontolona ilay omby. Notratrariny tampoka ilay olona ka akory ny hagagany satria dia tovovavy vao 20 taona monja ity tratra nisavika omby. Niboridana tanteraka tsy nisy na dia silipo ilay zazavavy raha ny tatitra azo ary dia ara-bakiteny tokoa fa tratra ambodiomby. Nampandre ny tompon’andraikitra isan-tokony avy hatrany ny tompon’omby. Ny nahagaga, hoy ny lehiben’ny fokontany dia hita ho tena verivery saina sy tsy tompon’ny tenany ilay tovovavy fa toa entin-javatra. Rehefa nalaina am-bavany izy dia nilaza ho avy eny Andranonahoatra-AntsirabeI, izay tsy dia mifanalavitra amin’i Vinaninkarena. Notafiana lamba izy ary natolotra ny mpitandro filaminana. Hotadiavina ny fianakaviany marina.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT