Toekarena

Trafikana volamena mankany Dubaï Tsy vita io raha tsy misy manampahefana ao ambadika


  • Alatsinainy 10 Janoary 2022

Mihalalina hatrany ny fanadihadian’ny manam-pahefana Kaomorianina momba ny raharaha volamena 49kg, izay manomboka mazava ny resaka fa aty Madagasikara,

 raha zohiana ny fanazavana nentin’ny Procureur Général any amin’ity firenena ity momba ny tambajotrana mpanao trafika Madagasikara-Comores-Dubaï. Teo ihany koa ilay hoe : in-11 ny trafika nisy ny septambra-desambra 2021. Manomboka misy karazana ampamoaka maneho sarina mpitondra ambony Malagasy sy olona voalaza fa isan’ny atidohan’ity fanondranana volamenantsika tratra tany Kaomoro ity. Fifandrifian-javatra ihany ve sa tena misy manam-pahefana ambony be eto amin’ny firenena tafiditra ao anatin’ny trafikam-bolamena miainga eto sy mandalo any Kaomoro ary any Dubaï no fiafarany ? Tany amin’ny raharaha volamena 73,5kg dia efa adihevitra ihany koa ny sary naneho firaisana latabatra teo amin’ilay vazaha tompon’ny fiaramanidina nitondra ny volamena sy ny mpitondra ambony teto. Tsy mba voakitika mihitsy io teratany vahiny io, niala na nampandosirina an’i Madagasikara rehefa nafampana ny raharaha, ary niverina mangingina, tsy misy arakaraka fa ny Malagasy madinika ihany no midoboka am-ponja. Tsy midika fa meloka na tsy meloka ilay vazaha fa mahagaga ny tsy nahavoasaringotra azy mihitsy. Sarotra noho izany ity raharaha trafikana volamena goavana ity, ary mety hiviny kely monja, ampahany ny tratra, fa tena efa misosa ny trafika. Mety misy ny manampahefana manao tari-bato vilam-bava mampanantena fa tena miady amin’ny trafika kanefa ny zavatra miseho any ambadika mety tsy ho izay. Sarotra ny ady ary tena mahakivy raha mitombina ny ahiahin’ny olona mikasika ny manampahefana mety tafiditra amin’io raharaha trafika io. Tsy azo inoana mihitsy ny hoe olon-tsotra taitaitra eo fotsiny dia hoe andao handrendrika volamena dia hitondra izany any Dubai; mety mpitondra entana ihany ireny fa misy ny sefo lehibe, mpaniraka izay mazava ho azy fa lava Tanana, manambola sy manampahefana. Ireo ilay sokajiana ho “mafia”, tsy mety tratra.Ary raha mbola eo ireo dia hisy foana ny trafika satria mitady olona hafa hitondra ny entana indray izy rehefa voasambotra ny mpitondra nahazatra. Ady misandrahaka noho izany ny fanakanana ny trafika fa tsy vitan’ny ankisambotsambotra eny amin’ny seranam-piaramanidina fotsiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT