Toekarena

Trafikana harena an-kibon’ny tany Vato 1,781 taonina sarona tany amin’ny RN2


  • Alarobia 29 Desambra 2021

Vato indostrialy milanja 1,781taonina no saron’ny Zandary avy amin’ny Kaompanie Imerina Centrale nanao sakana tao Ambatolaona Manjakandriana PK 58 tamin’iny RN2 iny ny alatsinainy 27 desambra tamin’ny 5ora maraina.

 Vato karazany 3 nahitana Agathes, Qauartz rose, ary Cristal ireo. Avy any Nosy Varika nandalo tany Mahanoro saika hoentina antsokosoko tamin’ny alalana fiara sprinter fourgon, notsindriana apombo tamin’ny gony izy io. Tsy nisy taratasy, ka nosamborina avy hatrany ny olona roa dia ny mpamily sy ny tompony nandeha tamin’ilay fiara. Ny volana septambra no nahatratarana vato 500kg tsy nisy taratasy tamin’ny làlam-pirenena fahaefatra, ary izao mitohy izao. Nandritra ny fisavana dia nolazain'ny mpamily fa apombo no nentiny. Notsirihin'ireo zandary tsara ny tao anaty fiara ka indro fa sarona ireo vato nafenina tao anaty gonin'apombo miisa 56. Misy fehezan-dalàna arahana ny fitrandrahana sy et fihariana vato eto Madagasikara, na vato soa na vato indostrialy. Voafaritra ao anati'ireto lalàna ireto:- art 169 alinéa 5 de la Loi n°99-022 du 19 août 1999 modifiée par la Loi n°2005-021 du 17 octobre 2005 portant Code minier sy ny Décret n°2006-910 du 19 août 2006 portant application du Code minier. Mety hampigadra 1 hatramin’ny 5 taona, ary onitra 300 000Ar hatramin’ny 50 000 000Ar. Nahetsika ny Tompon'andraikitry ny harena ankibon'ny tany; notanana ny Tompon'entana sy ny mpamily hatao famotorana; nogiazana ireo vato; nampidirina ambala mandritry ny 10 andro ilay fiara. Natolotra ny fampanoavana omaly 28 desambra ireo olona voasabotra, araka ny tatitry ny mpitandro filaminana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT