Toekarena

Tontolon’ny varotra Mila mampitombo traikefa i Madagasikara


  • Alarobia 23 Aogositra 2017

Mivahiny eto Madagasikara ny delegasionina avy amin’ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny varotra (OMC),

 

 izay miatrika atrikasa lehibe iarahana amin’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana eto amintsika. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly teny eny amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny Indostria (CCIA) eny Antaninarenina nanomboka io atrikasa io, ary tsy hifarana raha tsy rahampitso alakamisy 24 aogositra. Nohamafisin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana Rasamoel Jean Jacques nandritra ny lanonam-panokafana ny fananan’ny sehatry ny varotra anjara toerana lehibe ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana. Maro ny voka-tsoa ateraky ny fanalalahana ny varotra maneran-tany, toy ny firoboroboan’ny fampiasam-bola avy any ivelany, famoronan’asa vaovao, ary indrindra ny fifanakalozana na fampitana fahaiza-manao sy ny teknolojia. Tanjona lehibe ny hampitomboana ny traikefan’i Madagasikara eo amin’ny tontolon’ny varotra. Fotoan-dehibe hiaraha-mandinika ny fomba hoenti-manatsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny manampahefana miandraikitra io sehatra io ihany koa ny atrikasa. Hojerena ny fomba hahafahana mitondra fampandrosoana  ny tolotra eo amin’ny sehatry ny toekarena. Tafiditra ao anatin’ny tetiandro ny fampahafantarana ny fifanarahana ankapobeny momba ny tolotra ara-barotra (AGCS), ny rafitra AGCS … Marihina fa mitana ny antsasa-manila mahery amin’ny harinkarena eto Madagasikara ny tontolon’ny tolotra eo amin’ny sehatry ny varotra, ary manodidina ny 40% kosa ho an’ny fanondranana. Fotoan-dehibe fanararaotra ho an’i Madagasikara ny hetsika toy izao, mba hahafahan’ireo mpisehatra manana fahalalana sy traikefa, ka tena hisy fiantraikany azo tsapain-tanana amin’ny toekarena ny hetsika tahaka izao. Tsy tena mbola misy fiantraikany firy rahateo ny maha mpikambana antsika ao anatin’ny SADC, COMESA,… izay mila hararaotina.

 


 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT