Toekarena

Tontolon’ny Indostria Ny tantsaha no tokony hamatsy ny akora


  • Alarobia 04 Oktobra 2017

Tsy afa-misaraka ny famokarana ambanivohitra sy ny indostria, hoy ny Pr Jean Rasoarahona, manampahaizana momba ny fiompiana sy fambolena.

 Ny indostria no betsaka indrindra mety sy afaka atsangana eto Madagasikara, dia ireo manodina ny vokatra eny ambanivohitra, izay mifototra amin’ny resaka fambolena, fiompiana. Raha te hampitombo ny indostria isika, dia tsy maintsy any no trandrahana voalohany. Ny olana lehibe, dia mamboly izay mahavelona azy ny tantsaha ankehitriny, ary vitsy ny afaka manana ambim-bava hamidy. Eo no mila ezaka lehibe tsy maintsy hampiakarana ny lentan’ny fambolena, mba ho afaka miatrika sy hamokatra ho an’ny indostria. Ny voalohany indrindra dia ny fampitomboana ny fanohanana ara-teknika ny tantsaha. Ankehitriny, any amin’ny distrika sisa misy ny mpiasan’ny fambolena sy ny fiompiana kanefa tany amin’ny 40 lasa dia hatrany amin’ny fokontany, hoy izy. Tsy maintsy mila akora fototra haodina ny indostria, ary tsy tokony hoe avy any ivelany toy ny an’ny orinasa sasany ny 90%-n’izany, fa avy amin’ny tantsaha ihany. Ny tantsaha no tokony ho lasa mpamatsy ny indostria ary ny indostria mpandray ny vokatry ny y olana dia efa 20 taona izao no tsy nisy ny tena tohana ho an’ny mpamokatra amin’ny alalan’ireo teknisianina sy matihanina midina eny amin’ny tantsaha, ka lasa manao saim-pantany na izay atoron’ny ONG fotsiny izy ireo. Mandeha ho azy io, rehefa ny orinasa mila ilay akora fototra ilainy no manoro sy miara-miasa akaiky amin’ny tantsaha, hoy io manampahaizana momba ny fiompiana sy ny fambolena io. Marihina fa nampahafantarina omaly ny voka-pikarohana momba ny fambolena sy fiompiana niarahan’ny Pr Jean Rasoarahona tamin’ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES).

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT