Toekarena

Tontolon’ny indostria Malagasy Maro no tsy mandeha amin’izay laoniny


  • Alakamisy 12 Jolay 2018

Fotoana elaela no tsy nahenoana ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina vaovao, Guy Rivo Randrianarisoa.

 Ny antony, hoy ny tenany, tetsy amin’ny birao fiasany etsy Ambohidahy  omaly dia mbola miasa aloha izao. Zavatra maro no hitako tsy mandeha mikasika ny tontolon’ny indostria eto Madagasikara hatramin’izay nandraisako ny toerana maha minisitra ahy izay, hoy izy. Ohatra amin’izany ny mikasika ny Sirama ao Nosy be sy Brickaville izay tena manahirana ny eny ifotony. Nifanarahana tamin’ny kaompania Vidjzar nandritry ny 4 taona ary nandaniana miliara maromaro saingy tsy mazava ny tena fiantraikany mivantana amin’ireo mponina. Toy izany koa ny fiaraha-miasa amin-dry zareo sinoa. Ny ao Ambilobe sy Namakia lasa akan-dry zareo vola fotsiny. Ny samy malagasy lasa mifampifila ary ny vahiny moa efa mamilafila antsika rahateo, hoy ity minisitra ity, ka ny himasoana izao dia izay hahafahana manome asa ny eny ifotony eny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT