Tontolon’ny indostria

Hifanome tanana amin’ny MIC ny ONUDI


  • Zoma 26 Janoary 2024

Hifanome tanana amin’ny MIC ny ONUDI amin’ny fitadiavana ireo mpanosika

tetik'asa matihanina (développeurs) hampandehanana haingana ireo Taninketsa Indostrialy sy ireo vala indostrialy, hoy ny fampitam-baovao. Nambara fa mihazakazaka ny Minisitera (MIC) amin'ny asa fampiroboroboana ny indostria, iray amin'ireo fanoitran'ny fampandrosoana napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mandritra ity fe-potoam-pitondrany faharoa ity. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa sy hifanome tanana amin’ny Minisitera ny Rafitry ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana ny Indostria ONUDI, hoy ny serasera. Hanampy ny MIC, araka izany, eo amin’ny fitadiavana sy fametrahana ireo mpanosika tetik'asa matihanina hisahana ny fampandehanana ny Taninketsa Indostrialy sy ireo vala indostrialy ho apetraka manaraka eo ny ONUDI. Nandritra ny fihaonan’ny Solontenan’ny ONUDI eto Madagasikara, Volatiana Rakotondrazafy, sy ny mpiara-miasa aminy tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy omaly Alakamisy 25 janoary 2024 tetsy Ambohidahy no niarahan’ny roa tonta nanoritsoritra ireo fifanomezan-tanana ho fampandrosoana sy fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, hoy hatrany io fampitam-baovao io. Hisy ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny fandefasana manam-pahaizana manokana hitantsoroka manomboka any amin’ny fametrahana, ny fampiofanana ireo mpandraharaha, hatrany amin’ny fampandehanana ireo indostria madinika. Hiara-dia ho any Vienne ny roa tonta afaka fotoana fohy hihaona mivantana amin’ireo mpanosika tetik'asa matihanina (développeurs) ahafahana mampiroborobo ny indostria sy mampihodina ireo Taninketsa Indostrialy manaraka. Tsara moa ny mampahatsiahy fa ny aogositra 2022 dia nisy ilay fihetsiketsehana ivelany tamin’ny alalan’ny fanomezana amboara ho an’ny Filoha Rajoelina tany Vienne fa tompondakan’ny indostria i Madagasikara. Ka tsy efa isika ve izany no tokony hizara traikefa sy fahaiza-manao raha tena nitombina tokoa fa tsy serasera ivelany fotsiny ilay hoe : tompondakan’ny indostria ? Mby aiza izao ilay hoe Pharmalagasy hamokatra fanafody hanavotana izao tontolo izao amin’ny coronavirus ? Aiza ho aiza ilay orinasa Gasycar mpamokatra fiara ? Mby aiza ilay ozinina goavana indrindra aty Afrika mpamokatra simenitra amin’ny vidiny 14000Ar ny lasaka ? Sa ilay hoe : taninketsa indostrialy ihany no antsoina ho indostria na takotakonana amin’ireny ireo goavana nampanantenaina fa tsy tanteraka?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT