Toekarena

Tontolon’ny fandraharahana Manomboka mahazo laka ny vehivavy


  • Alarobia 12 Jona 2019

Mba ahafahana mametraka ny anjara toeran’ny fandraharahan’ny vehivavy eto Madagasikara dia roa andro no hanatanterahana ny Fikaonandoha mahakasika ny fandraharahan’ny vehivavy matihanina na ny “Women in business”

 

 izay tanterahina etsy Anosy omaly sy anio. Tanjona, raha ny fanazavana, ny fahafahana mametraka ny anjara toeran’ny vehivavy eo amin’ity sehatra ity izay hita ho manomboka mivelatra ankehitriny. Olana hatreto ny tsy fahampian’ny vola eo am-pelatanana ahafahana miantsehatra amin’ity tontolo ity, hoy ny filohan’ny fivondronan’ireo vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara na GFEM, Fanja Razakaboana. Ny minisitry ny varotra sy ny indostria ary ny asa tanana, Lanto Rakotomalala, kosa tetsy an-kilany dia nilaza fa ilaina ny fanohanana ny vehivavy tahaka izao satria ny vehivavy dia anisan’ny mitondra anjara biriky lehibe ho an’ny firenena Malagasy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT