Tontolon’ny fandraharahana

Hiditra amin’ny andiany faha 3 ny «Mon idée, mon entreprise»


  • Talata 05 Martsa 2024

Nampahafantarina omaly ny fisokafan’ny fisoratana anarana amin’ny andiany faha 3

amin’ilay fifaninanana mitondra ny lohateny hoe «Mon idée, mon entreprise», izany hoe «Heritreritro, orinasako», raha adika malalaka. Hatramin’ny faha 20n’ity volana martsa ity, raha ny fampitam-baovao no azo andraisana ny fisoratana anarana. Ny 24 martsa kosa no fara-fametrahana ny antotan-taratasy rehetra ilaina amin’ny maha mpifaninana. Miisa 5 karazana kosa ireo loka omena ireo mpandray anjara misongadina. Ao ny loka ho an’ny hevitra tsara indrindra. Ny faharoa ho an’ny vehivavy miavaka. Ny faha 3, ny fikarohana miavaka. Ny faha 4 ho an’izay nankafizin’ny mpitsara ary faha 5, ho an’izay nankafizin’ny mpanotrona. Araka izay anarany izay moa dia natokana ho an’ireo manana heritreritra handraharaha na efa mpandraharaha saingy nandalo oniversite kosa ny fifaninanana. Misy ny natokana ho an’ireo mpianatra mpikaroka ary misy kosa ny natokana ho an’ireo mpianatra manao «doctorat». Ny AUF na sampan-draharaha frantsay misahana ny oniversite kosa no tompon’antoka feno amin’ny fikarakarana ka dia any amin’ny foibe misy azy ireo toy ny etsy Faravohitra na ny tranokalam-pifandraisan’izy ireo, araka izany, no ahitana ny andinindininy momba ity fifaninanana ity, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT