Toekarena

Tontolon’ny fandraharahana Hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo Tale misahana ny lalàna


  • Zoma 05 Mey 2023

Hamafisina avokoa ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo tale misahana ny lalàna avy amin'ny ministera isan-tsokajiny eto amintsika,

ny Antenimieram-pirenena ary ny Antenimierandoholona. Hifarana anio zoma 5 mey izany rehefa naharitra 3 andro izay manana tanjona hanatsara ny tontolon’ny fandraharahana sy hifehy ny lalàna araka ny andraikitra mifanandrify amin’ny tsirairay. Hiditra moramora ny mpampiasa vola vaovao aorian’izany raha ezahina hotazonina ihany koa ireo mampiasa vola eto an-toerana efa nanohana hatramin’izay. Ny fivondronan'ny firenena Afrique, Caraïbes, Pacifique, ny Vondrona Eoropeana ary ny Banky iraisam-pirenena no mpiara-miombon'antoka miara-misalahy amin'izao fiofanana hifarana anio izao. Ny Economic Development Board kosa no misahana ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola. Am-polony moa ireo tale misahana ny lalana miatrika ity fiofanana ity izay samy nanamafy ny fahafaham-pony amin’ny fahalalana azony momba ny lalana sy ny fifampizarany traikefa tamin’ireo namany hafa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT