Toekarena

Tontolon’ny fahasalamana Namoahana fitaovana mandrefy ny tahan’ny kolikoly


  • Zoma 21 Febroary 2020

Nanamboatra fitaovana iray ahafahana mandrefy isan-taona ny fivoaran’ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny fahasalamana eto

 

 

Madagascar ny Transparency International-Initiative Madagascar (TI-IM). Manodidina ny 65% ny Malagasy nilaza fa efa niharan’ny kolikoly teo amin’ny sehatra fahasalamana, araka ny fanadihadiana Tsaboy ny Gasy nataon’ny Transparency International Initiative International (TI-IM). Tena misy ary avo be ny tahan’ny kolikoly amin’io sehatra io ary nanamafy izany avokoa ny 84%-n’ny olona nohadihadiana araka ny tatitry ny TI-IM. 37% ny tahan’ireo nanaiky efa tafiditra tamina resaka kolikoly tamin’ireo olona miisa 3302 nanaovana fanadihadiana. Anisan’ny kolikoly nisongadina tamin’ny fanadihadiana ny fampitomboana ny vidin’ny fanafody mihoatra ny tokony ho izy sy ny fanerena ny marary hanatona mpitsabo lafo karama kokoa. Eo ihany koa ny fahadisoana sy ny fanamaivanana ataon’ny dokotera ary ny fanerena an-kolaka na mivantana ny olona hanao tsindry bokotra na hampiasa ny olom-pantany vao mety ho voatsabo. Ankoatr’izay dia nilaza ny TI-IM fa mora manao kolikoly ny mpiasan’ny fahasalamana noho ny karama ambany loatra ka tokony hojeren’ny fitondram-panjakana ny mahakasika izany. Ny finiavan’ny rehetra hiala amin’ny fahazaran-dratsy mihitsy no tokony ho laharam-pahamehana ary rariny ny famoahana izao fitaovana vaovao izao

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT