Toekarena

Tonga ny solika 79 tapitrisa litatra Hamaha ny olana amin’ny kaompania ve?


  • Alakamisy 11 Aogositra 2022

Nigadona tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina omaly tokony ho tamin’ny 2ora sy sasany ny sambo Afnia Nanjing mitondra solika 79 tapitrisa litatra.

Manodidina ny 59.903m3 ny "Gasoil", 16.584m3 ny “Supeur Carburant” na lasantsy, ary 4.093m3 ny solika fandrehitra. Nilaza ny Tale Iraisam-paritry ny angovo sy akoran’afo any Atsinanana fa ampy tsara noho izany ny solika ampiasaintsika eto Madagasikara. « Betsaka ny milaza fa hisy ny « penurie », misy ny minia manakorontana saim-bahoaka mihitsy, ka miantso ny vahoaka ho tony. Haparitaka manerana ny Nosy manomboka anio. Anio, dia efa hisy kamio be dia be hitatitra izany hiakatra an’Antananarivo ka 30 no nanainga omaly, ary hoentina sambo ny makany Avaratra sy Atsimo. Mialohan’ny faran’ny volana aogositra ity dia efa hisy sambo iray», hoy ny fanazavana. Tsara ny manamarika, fa nisy olana ny fitsinjarana solika tao anatin’ny roa herinandro. Voalaza fa ireo mpitatitra sy mpaninjara mihitsy no tezitra na ekena aza fa nisy ary mbola ampy 15 andro ny tahiry. Tsy nety nitatitra ireo kamio mpitondra solika tao Toamasina ka nentina sambo nakany Mahanjanga ary avy any no nakarina taty, hoy ny mpisintona lakolosy sady mpamakafaka iray ny alatsinainy teo. Ahiana ho antony ny trosa mifampiditra, 1068 miliara Ar ny voalaza fa trosan’ny kaompania, kanefa 550 no lazain’ny Fanjakana ka mifanenjana. Tonga ny solika, saingy toa tsy mahafafa ny lonilony hatreto. Toa ireo kaompania mihitsy no migafy sy manenjana? Asa hanao ahoana ny tohiny?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT