Toekarena

Tonga ny mpanao tomban’ny FMI Mbola lavitr’ezaka ny famoaham-bola…


  • Talata 24 Mey 2022

Hiditra amin’ny dingana faharoa eo amin’ny tombana sy ny fanatanterahana ny praograman’asa iarahana amin’i Madagasikara ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena na FMI,

ka nandefa iraka hifampidinika amin’ny fitondram-panjakana Malagasy ity rafitra ara-bola iraisam-pirenena ity. Araka ny fampitam-baovaon’ny Primatiora, noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly maraina ny delegasiona notarihin’Atoa Lambert Frédéric. Fanombohana ny iraka eto amintsika ny fihaonana androany, hoy Andriamatoa Lambert, ary nanan-danja tokoa satria nahafahana nanao jery todika hanatsaràna lafiny maro eo amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Antenaina, hoy ihany ny tenany, fa hitohy ny fifampiresahana, hahafantarana ny tetiandro hitondran’ny governemanta fanavaozana amin’izay sehatra rehetra mety ho voakasik’izany. Amin’ny lafiny miabo, dia endrika tsara amin’ny fiaraha-miasa amin’ny FMI izao. Amin’ny fijery miiba kosa, midika fa manara-maso sy mijery ny ezaka amin’ny fanatanterahana ny fepetra napetrany aloha ny mpanatsy vola vao manao tombana mialohan’ny hamohany vola. Tsara ny manamarika fa vao herinandro vitsivitsy izay no nihaona tamin’ny Baky Iraisam-pirenena sy ny FMI tany Etazonia ny Fitondram-panjakana Malagasy notarihin’ny Filoha. Nireharehana tamin’izany ny hoe: hahazo famatsiam-bola 400 tapitrisa dolara eo isika. Niniana nafenina sy tsy nanaovana serasera anefa, fa hitsitaitaika hatrany amin’ny 2028 aza io, kan y 2022 dia mbola 00 dolara ny sora-bola, ary any amin’ny 2023 vao hisy 30 tapitrisa dolara. Isan’ny fepetra hapetraky ny mpamatsy vola hatrany moa ny fanajana ny demokrasia saingy nihemotra isika, ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety moa dia very toerana betsaka indrindra isika, ny resaka fanjakana tsara tantana na “bonne gouvernance” dia mbola mahamenatra ihany koa ny zava-misy eto,…
Toky R 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT