Toekarena

Tondro momba ny fandrosoana Hanao fanadihadiana iarahana amin’ny FMI ny INSTAT


  • Talata 19 Janoary 2021

Teboka 3 no noresahina nandritra ny fananganan-tsaina teo anivon’ny

 

 

Minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola omaly maraina teny Antaninarenina notarihin'ny tale kabinetra sy ny sekretera jeneraly. Isan'ny nambara fa goavana indrindra ny fampahafantarana amin'ireo mpiasa ny momba ny fiaraha-miasa amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena izay nanomboka omaly ny fifampidinihana ho an’ny programa vaovao iarahana amin’izy ireo, ary tsy hifarana izany raha tsy any amin’ny 5 febroary any ho any. Hanomboka indray ny "enquête statistique" ary hiverina hidina ifotony ny ekipan'ny INSTAT, izany dia ahafahana manavao ireo ny antotan’isa amin’ny « indicateurs de développement » izay ilain’ny teknisianina eto amin’ny Firenena. Singanina manokana ao anatin’ireo ny ahafahantsika manavao sy mandrafitra ny « Comptabilité nationale », hoy ny fanazavana. Raha raisina amin’io, dia mety lasa alohan’ny omby ihany ny sarety eo amin’ny programa sy ny fomba fiasan’ny Fanjakana amin’ny programam-pampandrosoana ambara fa entiny. Tokony hiainga amin’ny tondro momba ny fandrosoana sy ny antontan’isa samihafa ny programa hoentina na koa ny tetibolam-panjakana, saingy ny eto amintsika toa mianga amin’ny nofinofy, mivadika ho « maquette »,… fa tsy hita taratra firy ny hoe : manao ahoana ny fari-piainan’ny Malagasy ? Inona no fampandrosoana sahaza sy mety ary ilainy ? Inona ny tokony ho tanjona fohy ezaka, antonony, ary lavitr’ezaka mila hapetraka ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT