Toekarena

Tondro momba ny fahantrana Milentika hatrany i Madagasikara


  • Talata 24 Mey 2022

Nampiakarina ny marim-pandrefesana ny fahantrana maneran-tany. Tsy 1,90 dolara (7.570Ar) intsony fa lasa 2,15 dolara (8.570Ar eo ho eo), ka izay tsy manana an'io isan'andro iainany izany dia ao anatin’ny sokajin’ny mahantra

farahidiny na “extremement pauvre”, araka ny famaritana vaovao napetraky ny Banky Iraisam-pirenena. Mihatra manomboka amin’ny main-tanin’ity taona 2022 ity io. Taratry ny fiakaran’ny vesatra zakain’ny mponina amin’ny firenena maivana ara-pidiram-bola mba hamaliany ny filàna fototra toy ny sakafo, fitafy, trano fonenana,… io teo anelanelan’ny 2011-2017 ny sora-bola teo aloha io, ary ny lanjan’ny 2,15 dolara tamin’ny 2017 dia mitovy amin’ny lanjan’ny 1,90 dolara tamin’ny 2011, hoy iry rafitra ara-bolan’ny Bretton woods ity. Ho an’i Madagasikara manokana, hiakatra indray izany ny taha ara-pahantrana raha raisina amin’io. Ambony ny isan’ny olona mahantra farahidiny kanefa ny fahefa-mividin’ny olona tsy misy fihatsarany. Na eo aza ny fampiakaran-karana 200 000 lasa 250 000Ar ny farany ambany satria mbola tsy mahatratra ilay fetra farany 2,15 dolara napetraky ny banky iraisam-pirenena raha ny kajikajy satria manome 8 330 Ar izany hoe: 2,09 dolara eo. Raha ny antontan’isa farany navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena ny taona 2020 dia 81% amin’ny Malagasy no mahantra farahidiny, kanefa mbola tao anatin’ilay 1,90dolara isan’andro, izany hoe : mbola ambonin’io, raha miainga amin’ilay 2,15 dolara isan’andro. Tany amin’ny faran’ny desambra 2020, nahatratra 1,4 tapitrisa ireo olona nidina any amin’ny fahantrana farahidiny, raha ny tatitra nataon’ny Banky Iraisam-pirenena hatrany. Maminavina ny Banky Iraisam-pirenena fa 78,8% ny tahan’ny mahantra ny taona 2023 ary 77,9% eo kosa amin’ny 2024 raha mbola ny mari-pandrefesana teo aloha 1,90 dolara no hikajiana azy. Toa taratry ny fanasokajian’ny Firenena Mikambana antsika ho ao anatin’ny firenena tsy manan-kohanina sokajy faha-5 amin’ny IPC (Integrated phase classification) io. Hatreto anefa, mbola tsy arakaraka izay ny laharam-pahamehana fa ny mamirapiratra raha tsy hilaza afatsy ny kianja manara-penitra saika isaky ny faritra. Efa hesoin’ny olona amin’ny hoe : atao fitaratra amin’ny politika hampiharina amin’ireo tany mahantra sy marefo indrindra saingy tsy taitra fa mirehareha aza. Mbola haingo ambony tsikoko foana ve no maika ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT