Toekarena

Tombotsoan’ny Ravinala Airports Niaka-pofona ny Depiote Brunelle…


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Mandeha ny tatitry ny fanadihadiana parlemantera mombana toe-javatra samihafa eto amin’ny firenena, ka an’isan’ny lohalaharana ny raharaha Ravinala Airports,

 izay isan’ny nitsikeran’ny Fitondrana ankehitriny mafy ny Fanjakana Rajaonarimampianina. Niaka-pofona ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa, filoha lefitry ny antenimieram-pirenena omaly izay mahita fa tsy rariny ny hoe : 40 euros (200 000 ar) isaky ny mpandeha ho any ivelany sy 20 euros (100 000 ar) isaky ny mpandeha amin’ny zotra ato anatiny no aloa amin’ny Ravinala airports mandritra ny 28 taona noho ny fanamboarany ny seranam-piaramanidina Ivato, araka ny fifanarahana tamin’ny 2015, hoy ny tatitra voalohany voarain’ny fanadihadiana parlemantera izay nampahafantarina omaly teny Tsimbazaza. « Atsaharo ny fivarotana tanindrazana toa izao, tena tsy rariny io, ahoana no hieritreretana sy hanekena hoe tsy manana « salon VIP » ao amin’io seranam-piaramanidina vaovao io ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Air Madagascar, hoy i Brunelle Razafitsiandraofa. «Aza amidy intsony kosa ilay firenena fa tena ampy izay, iza no mahazo tombotsoa amin’io ? Toa tombotsoa manokana sy izay hahazoana vola fotsiny no ataon’ny manam-pahefana sasany ao amin’ny fahefana mpanatanterakka ka tokony tena hijoro ary ho sahy hanadihady izany ny parlemantera, hoy ny depioten’Ikongo hita ho tena nisafoaka mihitsy. « Betsaka ireo fitarainana voaray avy amin’ireo teknisianina miasa ao amin’ny seranam-piaramanidina mahakasika ny fitrandrahana ny seranam-piaramanidina », hoy ny tatitra vonjimaika novakian’ny depiote Alain Ratsimbazafy omaly, ka anisan’izany ny avy amin’ny mpiasan’ny Adema. Tsy manana anjara toerana ao amin’ny seranam-piaramanidina ao ny Air Madagascar tsy manana « salon VIP » ary tsy nahazo ny « espace Duty free » ihany koa ny « Sofitrans »,... Tsy azo atao ihany koa manorina seranam-piaramanidina hafa ao anatin’ny faritra 200 km manodidina ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy be Fascène, araka ny fifanarahana nataon’ny fanjakana Malagasy sy ny Ravinala Airports ihany. Mbola hitohy mandritra ny enim-bolana ny fanadihadiana parlemantera amina sehatra miisa 5 mialohan’ny tatitra ofisialy satria tsy ampy ihany ny fotoana nanaovana izany tany aloha noho ny fahamehana ara-pahasalamana nihatra teto amin’ny firenena. Irariana mba hisy ihany koa ny fanadihadiana toy izao amin’ny Orinasa Jirama, ny fitantanana volam-panjakana, ny famatsiam-bolan’ny covid-19, ny fandaniam-bola mihoampampana amina zavatra toa tsy dia maika loatra.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT