Toekarena

Tombola “Lay Tsena B” Lasan’i Melly Andrée ny « Hyundai Terracan »


  • Sabotsy 16 Desambra 2017

Melly Andrée, renim-pianakaviana iray, no tsara vintana nandrombaka ny fiara marika « Hyundai Terracan », tamin’ny lalao tombola lehibe tao anatin’ilay hetsika « ‘Lay Tsena B » andiany voalohany,

nokarakarain’ny “Infinity Group” sy ny “First Evenementiel”, ny 8 hatramin’ny 10 desambra teo. Ambohim-pihaonan’ny poketra rehetra moa iny hetsika voalohany iny, araka ny efa nambaran’ny mpikarakara sy ny voamarin’ireo mpanjifa teny an-toerana fa nampiavaka azy koa ity tombola nahazoana fiara iray, araka ny safidin’ny mpandray anjara ity. Ny alarobia lasa teo no nanatanterahana ny fisarihana tao amin’ny “Infinity Group” etsy Ambodihady.  Fiara 3 no nasaina nifidianan’i Melly Andrée, dia ny marika “Renault Samsung SM3”, ny “KIA Sorento” ary ity “Hyundai Terracan” ity. Samy hita ao amin’ny “infinity Group” avokoa ireo ary samy avy any korea, raha ny nambaran-dRamilijaona Tsanta, tompon’andraikitra ao amin’ity orinasa ity. Ilay fiara “Hyundai Terracan” no nofidian’ity renim-pianakaviana tsara vintana ity, satria matetika mankany ambanivohitra izy ireo ka mila fiara tsy mataho-dalana, hoy ny fanazavany. Mbola nampanantena ny mpikarakara fa mbola hisy hatrany ny tombola amin’ny hetsika manaraka.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT