Toekarena

Tombola BNI Madagascar 4 mianadahy no nitsikian’ny vintana


  • Sabotsy 27 Mey 2017

Toy ny fanaony mahazatra dia nanolotra fanomezana ho an’ireo olona efatra tsara vintana nandray anjara tamin’ilay tombola nokarakarainy nandritra ilay foara iraisam-pirenena notanterahiny teny amin’ny Forello Expo Tanjombato ny banky BNI Madagasca

 

r izay mpanohana ofisialy ny hetsika. Anisan’ny nitsikian’ny vintana Ramatoa  Rasoanindrina Pauline, nahazo solosaina entin-tanana.  Lasan-dRanaivoarison Ralisandy kosa ny tablette tactile iray.  Norombahin-dRamaherison Rolland ny smarthphone iray. Ny  alarobia hariva teo no natao ny antsapaka, narahin’ny fizarana loka avy hatrany tao amin’ny foiben-toerany etsy Analakely. Tsy nataotao foana moa ny hetsika tahaka izao, hoy Ralaimanisa Ndriana, talen’ny serasera eo anivon’ity banky iray ity fa entina hanaporofoana hatrany ny fanaikaikezan’izy ireo hatrany ny mpanjifa. Nisy koa ny fampahafantarany ny rehetra ilay teknolojia avo lenta hampiasainy amin’ny alalan’ny BNI-NET…Tsiahivina fa nahatratra 5000 ireo olona tonga nitsidika ny tranohevan’ny banky BNI nandritra ny FIM farany teo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT