Notontosaina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitatanam-bola Antaninarenina ny
fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin’ny Fitantanana Ankapoben’ny Hetra (DGI) sy ny Tahirim-bolam-panjakana (DGT) ary ny eo anivon’ny fanatanterahana ny tetikasa PIFM (Projet d’Inclusion Finançière de Madagascar) miaraka tamin’ireo orinasa 3 misehatra amin’ny fikirafirana vola anaty finday (Airtel Money, Orange Money ary Mvola). Ny Hetraphone izay fomba fandoavana hetra vaovao amin’ny alalan’ny finday dia entina hampiroboroboana ny fampidiran-ketra sy ny volam-panjakana hanatsarana ny toekarena. Efa nanomboka tamin’ny taona 2017 no efa nanandramana ny tetikasa teny amin’ny Ivonketra Alasora sy teny amin’ny firaisana fahatelo. Fantatra fa tsy ampy ny fampahafantarana ny olona ireo tombony amin’ny fanambaran-ketra amin’ny finday ary tsy hainy izany. Ny fametrahana ity Hetraphone ity dia tsy maintsy harahana fampianarana ary hisy mihitsy ny rindra-kajy amin’ny finday na ny application manokana handoavan’ireo olon-tsotra na orinasa ny hetrany. Sady afaka manao fanambarana ara-ketra izy ireo no afaka mandoa hetra amin’ny fomba mangarahara lavitry ny kolikoly, hoy ny Tale heneralin’ny hetra, Atoa Germain. Tanjona ny hanamorana ny fandoavan-ketra ary tsy hampivezivezy ny mpanjifa ka samy hahazo tombony ny rehetra ary hampiakatra haingana amin’ny kitapom-bolam-panjakana izany. Hialana ny fandaniam-potoana amin’ireo taratasy marobe amin’ny fanambaran-ketra ary mora sy mangarahara ny fandoavan-ketra indrindra ho an’ireo orinasa. Tsiahivina fa ny 80%-n’ny fampidiran-ketra dia avy amin’ireo orinasa lehibe ireo ka notsorina amin’ity fomba vaovao ity ny fandoavan-ketra ataon’izy ireo. Tombony ihany koa ny hiarovana tsara ny kaonty ary hahatsara ny tarehimarika azo sy ny fanamarinana ny fandoavan-ketra, hoy hatrany ny Tale jeneralin’ny hetra. Fiaraha-miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena no nahafahana nametraka ny Hetraphone ary izy ireo mihitsy no mamatsy vola tamin’izany. Efa niditra tamin’ny vovonana hanaovana fanambarana sy fandoavan-ketra ampitain-davitra (télépaiement) ny ankamaroan’ireo banky hanamorana ny fampidiran-ketra. Afaka miditra amin’ny tranokalan-tseraseran’ny foiben’ny fitantanana ankapoben’ny hetra ihany koa ny rehetra mandoa ny hetra amin’ny fotoana fohy amin’ny alalan’ny e-Hetra-payment. Izao indray izany dia afaka manao fanambarana sy mandoa hetra amin’ny fikirakirana ny vola anaty finday ny mpandoa hetra rehetra.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.