Toekarena

Toliara Mpiasan'ny kaominina maro noroahana


  • Alarobia 15 Aprily 2020

Ankoatra ny valan'aretina coronavirus dia mamely ihany koa, hoy ny vaovao voaray avy any Toliara,

ny valan'aretina fandroahana mpiasa ataon'ny tompon'andraikitra mahefa ao amin'ny kaominina ambonivohitra Toliara. Raha mbola somebiseby amin'ny fiatrehana amin'ny fijanonana an-trano takiana amin'izao fepetra manokana ara-pahasalamana noraisina eto Madagasikara izao rehetra amin'ny fitadiavana izay harapaka isan'andro dia tonga ihany koa ny fahasahiranana fanampiny ho an'ireo mpiasa ao amin'ny kaominina ao Toliara ao. Mpiasa maro (manodidina ny 80 isa any ho any), hoy ny vaovao azo avy any an-toerana, no niharan'ny fandroahana an-kitsirano izao ary anisan'ireo voakasik'izany ireo mpilatsaka an-tsitrapo sy ireo "blouse verte" izay tena anisan'ireo mandray karama varimasaka ara-bakiteny amin'ny ankapobeny (40.000 ar ka hatramin'ny 60.000 ar isam-bolana raha be indrindra). Etsy ankilan'izay anefa dia nisy ny fampidirana mpiasa vaovao ao amin'ity kaomininy ity ihany izay antsoina hoe mpanara-maso amin'izao hetsika misy eto amin'ny firenena izao. Tena mahagaga ! hoy ilay vaovao voaray.


Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT