Toekarena

Tohana ara-bolan’ny FMI Miandrandra fatratra ny FEC 4 ny Fitondrana


  • Talata 09 Mey 2023

Taorian’ny Praiminisitra, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina indray no nandray ireo delegasiona avy amin'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) izay notarahin'ny Talen’ny Departemanta Afrika,

Andriamatoa Abebe Selassie, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 7 mey 2023 tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha. Noresahana nandritra izany fihaonana izany moa ny fivoriana tombana andiany faha-4 (4ème revue) momba ny FEC (Facilité Elargie de Crédit). Anisan’ny hodinihana amin'izany fivoriana tombana izany ny fomba fanatanterahana ny fandaniam-bolam-panjakana (exécution budgétaire) sy ny fijerena ny fampidiram-bolam-panjakana, indrindra mikasika ireo vola avy amin’ny mpandraharahan’ny solika, araka ny tatitra. Notsipihan'ny Filoham-pirenena fa tao anatin'izay efa-taona izay ny Governemanta dia nanamafy ny fisian’ny Fitondram-panjakana manakaiky vahoaka amin'ny alalan'ny fananganana fotodrafitrasa maro manerana ny Nosy toy ireo sekoly sy efitrano fianarana, ny oniversite, ireo hopitaly, ny lalambe migodana voalohany eto Madagasikara, ary farany teo ny fanombohana ny pipeline Efaho. Nambara tao amin’ny tatitry ny Fiadidian’ny Repoblika, fa nidera manokana ny Fitondram-panjakana malagasy moa ity Talen’ny FMI ity tamin'ireo asa maro be notanterahina na dia nisy aza ny valanaretina. Notsipihany ihany koa tokony hanamafisana bebe kokoa ireo ezaka momba ny fampandrosoana ny fambolena. Nifampiresahan'ny roa ihany koa ny hahafahan'i Madagasikara misitraka ilay “Fonds Fiduciaire pour la Résilience et la Durabilité » na FFRD avy amin’ny FMI, izay natao hamatsiana ireo fanavaozana mila hatao mba ahafahan’ny firenena manana fahafaha-miatrika bebe kokoa ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro. Nambara ihany koa ny maha isan’ny firenena afaka misitraka (éligible) an’i Madagasikara noho ny efa fananantsika ny antsoina hoe lasitra ara-toekarena mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro, hoy hatrany ny tatitra. Amin'ny 12 may ho avy izao no mifarana ny fivoriana tombana andiany faha-efatra izay dingana ihany koa amin’ny fifampiresahana momba ny programma FFRD amin’ny volana oktobra - novambra 2023, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny Fiadidian’ny Repoblika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT