Toekarena

Toekaren’i Madagasikara Tsy tafavoaka raha tsy miroborobo ny famokarana


  • Zoma 19 Jolay 2019

Hatreto aloha dia hita ho mpiantsena fotsiny ihany i Madagasikara fa tsy mpamokatra eo anivon’ireny tsena iraisam-pirenena ireny.

 

 kely loatra ny tombombarotra amin’ny tsena Afrikanina SADC na COMESA nefa vola be no aloa amin’ireny amin’ny maha mpikambana antsika. Tsy afaka hiolonolona fotsiny anefa fa tsy maintsy miditra amin’ireny tsena malalaka hifanakalozana ireny i Madagasikara. Ohatra amin’izany ny efa nanekena ny fidirana ao amin’ny Toerana Malalaka Ifanakalozana ao Afrika Atsinanana (ZLEC) izay tokony ho tombony raha matanjaka ny famokarana sy ny fandraharahana eto amin’ny firenena. Tsy azo ifaninanana mihitsy i Madagasikara ary ho fatiantoka hatrany raha marefo amin’ny famokarana. Tombony hatrany ny fidirana mpikambana amin’ireny tsena iraisam-pirenena ireny saingy mila mafy amin’ny sehatra fampivoarana  toekarena tahaka ny varotra sy ny fifanakalozana ary ny fanondranana ny firenena.

Tsirinasolo   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT