Toekarena

Toekaren’i Madagasikara Nihemotra hatrany tao anatin’ny 10 taona


  • Sabotsy 30 Jona 2018

Matroka tanteraka ny tarehimarika ara-toekaren’I Madagasikara nanomboka tamin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009.

Tsy mety mahatratra 5% akory ny fitombon’ny harinkarena nandritra izay fotoana izay. Ankoatr’izay dia miziriziry hatrany ny tahan’ny fidanganan’ny vidim-piainana, efa nahatratra 9% izany tamin’ny taona 2017. Ny sandan’ny ariary moa dia iaraha-mahita fa tsy amin’ny mahasalama ny toekaren’I Madagasikara mihitsy. Tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana anefa nahatratra 7,1% ny fitombon’ny harinkarena kanefa 6,8% ny salan’isa an’I Afrika tamin’izany. Maro ny antony nahatonga izany tahaka ny firoboroboan’ny fampiasam-bola sy ireo tetikasa izay nahavoafidy ny Malagasy tahaka ny Millenium Challenge Account (MCA) noho ny fahatokisan’ny mpamatsy vola. Tamin’izany fotoana izany aza moa dia modely taty Afrika mihitsy Madagasikara tamin’ny ady amin’ny fahantrana. Ankoatr’izay dia nilamina tsara ny fitantanan-draharaham-panjakana ary nandeha tamin’ny tokony ho izy hatrany ny volam-panjakana. Amin’izao fotoana izao dia tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny toekaren’I Madagasikara. Matahotra sy tsy matoky ny mpitondra ny mpamatsy vola ka tsy misy tetikasa lehibe ahazoam-bola. Ankoatr’izay dia tsy misy mihitsy ny politika famoronana asa sy ny fiarovana manokana ny orinasa Malagasy. Rariny raha tsy tratran’I Madagasikara intsony ny tarehimarika maneho ny fahasalaman’ny toekarena tamin’izany ary mitarika fihemorana hatrany ny tsy fandraisan’andraikitra.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT