Tsy mitsaha-mitotongana ny toekaren’ny firenena malagasy, indrindra nanomboka ny taona 2009.
Mbola nofinofy ilay hoe fampandrosoana maharitra sy mipaka amin’ny rehetra ary maro ny fanovana tokony hatao raha mieritreritra ny hiroso amin’izany. Mbola lavitra tanteraka ny fampandrosoana i Madagasikara satria miaina anaty fahantrana ny 80%-n’ny Malagasy. Manizingizina hatrany ny Banky Iraisam-pirenena fa fahantrana eny anivon’ny tontolo ambanivohitra no misy eto. Maro be ny sehatra ilàna fiheverana mba hipaka amin’ny rehetra ny fampandrosoana resahan’ny fitondrana mifanesy saingy tsy tokony hatao ambanin-javatra koa ny fampiroborobana ny eny ambanivohitra. Anisan’ny tsy maintsy hilofosana haingana ny fanamboarana sy fananganana ny fotodrafitrasa any amoahana ireo vokatra satria izany ihany no antoky ny fampandrosoana eny ifotony. Ilaina ny hanamorana ny tontolon’ny fandraharahana, indrindra ny any ambanivohitra hampivelarana ny sehatra famokarana. Tsizarizary ihany koa ny sehatra fanabeazana sy ny fahasalamana izay mibaribary na ny aty an-drenivohitra aza. Hitarafana ny fandrosoan’ny firenena ireo sehatra ireo ary tokony ho tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana. Ireo anefa hatreto no sehatra hita ho mikoroso fahana eto Madagasikara ankoatra ny fitantanana tsy mangarahara sy ny fanaovana fombafomba fotsiny amin’ny ady amin’ny kolikoly. Etsy an-daniny, mampihisatra ny toekarena ihany koa ny tsy fahaleovantenan’ny Banky Foibe izay tokony hampitombo hatrany ny fanaraha-maso amin’ny sehatra ara-bola mba handeha amin’ny tokony ho izy ny fampiasana azy. Izany fanovana rehetra izany dia tsy maintsy hatao raha te ho tojo ny fampandrosoana saingy hita ho mitotongana hatrany ankehitriny.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.