Anisan’ny firenena afrikanina manana hery ara-toekarena i Algérie amin’izao fotoana. Nanambara ny ambasadaorony, Bafdal Mokaddem, nandritra ny fanokafana ny faha-64 taonan’ny fahafahan’i Algerie
tetsy amin’ny Ivokolo Cemdlac Analakely omaly zoma 20 oktobra fa tsy tongatonga ho azy ny fampandrosoana fa misy fandavan-tena sy fikirizana amin’ny mpitondra aloha ary manaraka ho azy ireo entina. Niezaka be ity firenena ity tamin’ny lafiny fotodrafitrasa satria raha 15.000 Km monja ny lalana 50 taona lasa izay, amin’izao fotoana dia afaka mifandray amin’ny faritra rehetra ary mitotaly 150 000 km ny lalana misy. Manginy fotsiny ireo lalambe (autoroute) mampifandray ny faritra Andrefana sy Atsinanana, ny seranam-piaramanidina ary ny seranan-tsambo vaovao izay tena ilaina amin’ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fizahantany ka manamora ny fampiroboroboana ara-toekarena. Ankoatra izay dia nanambara ity ambasadaoro ity fa nihazakazaka be ihany koa ny ezaka tamin’ny sehatra fanabeazana satria amin’izao fotoana dia misy oniversite avokoa eran’ny faritra ary tena maro ny toerana fampianarana. 11 tapitrisa ny alzerianina mianatra ankehitriny ary tsy misy mihitsy na iray aza tsy mandalo fampianarana izany satria lehibe loatra aminay io sehatra io, hoy ny ambasadaoro. Fa tsy ambakan’izany ihany koa, hoy izy ny sehatra fahasalamana satria nisy ny ezaka fananganana hopitaly nandritra ny 20 taona farany notanterahin’ny governemanta. Raha ny momba an’i Madagasikara dia nanambara ny tenany fa miainga amin’io fifidianana ho avy io ny hoavin’ny firenena ary ilaina ny fangaraharana mba hoeken’ny rehetra ny vokatra eo. Na izany aza dia nanizingizina i Bafdal Mokaddem fa tokony hampiainga haingana ny toekarena Malagasy ihany koa ny fanaovana fotodrafitra sy ny fampandrosoana ny sehatra fanabeazana sy ny fahasalamana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.