Toekarena

Voafehy ny vidin-tsolika


  • Talata 30 Jona 2026

marin-toerana ny Ariary

Hivalona ity ny enim-bolana voalohany ny taona 2026. Tany ampiadohan'ny taona dia betsaka ny fanahiana fahavoazana ara-toekarana taorian'ny fiovam-pitondrana tsy nandalo fifidianana teto Madagasikara sy ny fahasarotana tamin'ny famatsiana solika manerantany vokatry ny ady nifanandrinan'i Iran tamin'i Etazonia sy Israely. Na dia teo aza anefa izay fanahiana fahavoazana izay dia hita ho voafehy ny vidin-tsolika ary marin-toerana ny Ariary tao anatin'izay enim-bolana voalohany izay. Nahazo aina nanodidina ny 9,2% ny Ariary niohatra tamin'ny dolara. Izany hoe : raha 4.579 Ariary ny iray dolara tamin'ny fiandohan'ny taona dia 4.193 Ariary teo izany enim-bolana taty aoriana. Nitombo 9,9% teo ny Ariary niohatra tamin'ny Euro, ka raha tany amin'ny 5.309 Ariary ny Euro iray teo amin'ny tsena fifanakalozana tamin'ny fiandohan'ny taona dia lasa 4.832 Ariary enim-bolana aty aoriana. Isany nampahazo aina ny sandan'ny Ariary ihany koa ny famerenan'ny mpandraharaha mpanondrana vokatra ny vola vahiny ary koa ny fahalalahana eo amin'ny fandraharahana tamin'ny nandravana ny ampihimamba ara-toekarana nataona mpandraharaha iray izay voatana am-ponja atsy amin'ny Nosy Maorisy amin'izao fotoana izao. Teo amin'ny amin'ny vidin-tsolika indray dia latsaky ny 200 Ariary ny fiakaram-bidy raha nampitahaina ny vidin-tsolika tamin'ny Janoary 2026 sy Jona 2026 teny amin'ireo toby mpaninjara. 130 Ariary teo amin'ny lasantsy ka raha 4.970 Ariary ny litatra tamin'ny Janoary 2026 dia 5.100 Ariary ny vidiny mihatra tamin'ity Jona 2026 ity. 190 Ariary kosa ny elanelam-bidy tamin'ny gazoala ny janoary 2026 sy Jona 2026, ka raha 4.670 Ariary ny iray litatra tamin'ny gazoala ny Janoary dia 4.860 Ariary izany ankehitriny.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT