Toekarena

Toekarena Tsy afa-po amin’ny tetibolam-panjakana 2022 ny GEM


  • Alarobia 01 Desambra 2021

Naneho ny fahadisoam-panantenany tamin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2022 na ny “PLFI 2022” ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara na ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar).

 Maro ny tolo-kevitra nataon’ny kanefa dia ny 2 tamin’ireo 15 ihany no mba noraisin’ny Minisiteran’ny toekarena, hoy ny Filohan’ny GEM Atoa Thierry Rajaona. Naniry izy ireo mba hisian’ny politika ara-ketra mifanojo amin’ny fanarenana ara-toekarena no atao, saingy tsy izay no niseho, kanefa dia tsy notanan’ny Fanjakana ny ankamaroan’ny tolo-kevitra natao tamin’ny fihaonana sy fivoriana nakana ny hevitry ny mpandraharaha tamin’ny famolavolana ny tetibolam-panjakana 2022 na ny PLFI 2022, hoy hatrany ny Filohan’ny GEM. Tolo-kevitra ny fampihenana ny tahan’ny hetra aloan’ny orinasa mba hisintonana ny famoronana orinasa ho an’ireo mpampiasa vola eto an-toerana sy avy any ivelany, izay mitondra amin’ny famoronan’asa. Tsy izay anefa no nitranga, vao mainka aza nahenan’ny Fanjakana ny tombony efa nananan’ny orinasa afaka haba, ary tsy nampoizin’izy ireo ny fanapahan-kevitry ny Fanjakana raha ny voalazan’ny Filohan’ny GEM. Naneho moa ny tenany, fa hisy fiantraikany ratsy amin’ny fandrosoan’ny orinasa afaka haba eto Madagadikara io. Raha ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison kosa, dia ialàna amin’ny tsy fandoavan-ketra mihitsy no nahatonga ny fampihenana. Misy amin’ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola mantsy mba hialana amin’ny fandoavan-ketra no manao orinasa iray, ka rehefa tonga ny fahataperan’ny fe-potoana ahazoany tsy mandoa hetra, dia vonoiny ary mamorona orinasa vaovao indray izy, ary dia tsy mandoa mihitsy mazava ho azy, raha ny fanazana teknika. Izay no nahatonga ny fampihenana hoe: raha 15 taona ny fe-potoana dia nahena ho 10 taona, raha 10 taona dia nahena ho 5 taona,… hoy ny minisitra.
Legende : Thierry Rajaona, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny GEM
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT