Toekarena

Toekarena Tokony hirosoana ny drafim-panarenana


  • Zoma 28 Aogositra 2020

Soson-kevitra nomen` ny teo anivon` ny Antenimieram-pirenena ny tokony hirosoana sahady amin` ny drafim-panarenana ny toekarena izay efa nantsangana.

 

 

Efa afaka mampihatra avy hatrany izany ny fitondram-panjakana, hoy ity andrimpanjakana ity tamin` ny alalan` ny filohany, Chrisitne Razanamahasoa. “Ho amin` ny fanarenana ny toekarena dia heverina fa fotoana fa hampiarana ny drafitra efa voavola izao. Mba hirosoana amin` izay amin` ny fianteherana sy fitrandrahana ny haren` ny firenena . Tokony hampiana koa ireo tantsaha mpamokatra sy mpiompy fa tsy maintsy hitodika amin` izany ny seham-pihariana ny faharan` ny toekareana manomboka amin` izao. Fotoana izao hanomezana aina vao ny toekarem-pirenena sy ny seha-pihariana ary be ny fanantenana na teo aza ireny olana ara-pahasalamana.” Ankoatra izay dia nanamafy ny depiote fa tokony hiparitaka amin` ny faritra rehetra manerana ny nosy ireo hetsika sosialim-bahoaka toy ny Tosika Fameno, Vatsy Tsinjo, Sosialim-bahoaka fa tsy ajanona eto an-drenivohitra na renivohim-paritany ihany.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT