Toekarena

Toekarena sy tsenam-bola Manahirana ny fifehezana ny fitotongan’ny ariary


  • Talata 30 Jona 2020

Tsy voafehy ny fitotonganan’ny Ariary mitaha amin’ireo vola vahiny ifanakalozana tahaka ny Euro sy Dolara amin’izao fotoana izao.

 

 

 

 

Tsy mety mahazo aina mihitsy ny Ariary indrindra tamin’ity volana ity ary nisy fotoana efa tafakatra hatrany amin’ny 4300 Ar ny vidin’ny Euro iray. Raha ny toe-java-misy eto amin’ny firenena aloha dia hita fa mbola manano sarotra ny fifehezana ny fiotonganan’ny ariary. Mbola tsy miverina amin’ny laoniny mihitsy mantsy ny fanondranana izay mampiditra vola vahiny hahamarin-toerana kokoa ny Ariary. Etsy andaniny anefa dia mirona be amin’ny fanjifana ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao ary tsy misy firy mihitsy ny famokarana sy ny fandraharahana eto an-toerana. Rehefa tsy misy ny famokarana anefa dia tsy misy ny fanondranana kanefa ny fanafarana kosa dia mandeha ihany eny an-tsefatsefany eny. Amin’izao fotoana izao dia misy foana ohatra ny fanafarana vary sy ny entana ilaina an-davan’andro araka ny fanazavan’ny ministeran’ny varotra. Ho loza tanteraka ho an’ny toekarena raha mitohy ny zava-misy satria ny fitotonganan’ny ariary dia manimba ny fahefa-mividy izay efa tena ambany be raha ny eto Madagasikara. Mila fandraisana andraikitra haingana be ary takiana ny fahaiza-manaon’ireo anatin’ny fitondrana mba tsy hidaraboka ny toekarena satria tena hanahirana be ny fanarenana atsy ho atsy.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT