Toekarena

Toekarena sy sosialy Tena miditra anaty krizy lalina


  • Talata 24 Novambra 2020

Miha mitombo ny olana ara-tsosialy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ny vidim-bary miakatra,

 

 

 

 ary mbola tsy voafehy ny heverina fa fanararaotana hatreto na misy aza ny fidinana ifotony re fa nataon’ny tompon’andraikitry ny ministera, toy ny tena Mahazo sy Ambatomaro omaly. Olana goavana mampikolay an’Antananarivo sy ny manodidina ny tsy fisian’ny rano amina faritra maro. Ny teny Itaosy, ohatra, dia nafampana ny toe-draharaha omaly. Ny eto an-dRenivohitra saika mijaly rano ny ankamaroan’ny fokontany, fa misy ireo milaza fa efa ho roa volana tsy nisitraka izany toy ny eny Ambatomaro. Tena tsy maharaka ny filan’ny mponina ny tolotra avy amin’ny Jirama. Tsy re hatreto ny vokatr’ireo tetikasa nambara fa vahaolana, toy ny teny Amoron’Ankona By Pass. Ny fako ihany koa etsy andaniny mampikolay, toy ny zava-misy eny Ankadifotsy, izay dabam-pako miisa roa mifanakaiky samy misavovona avokoa. Ny fikorontanan’ny fiarahamonina, toy ny resaka fanolanana etsy sy eroa tsy lazaina intsony, ny tsy fandriampahalemana manao ny ataony,… Tena mandalo krizy ara-tsosialy sy ara-pitantanana isika amin’izao fotoana izao. Tsy fahaizana mandamina asa ve no mahatonga izany sa efa tena tsy fahaiza-mitantanana mihitsy? Toa hafa mihitsy ny laharam-pahamehana indraindray ka zary lasa miendrika fanesoana vahoaka.

Toky R


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT