Toekarena sy sosialy marefo

Tsy miaina ny Malagasy fa miezaka ny tsy ho faty


  • Talata 14 Janoary 2025

Misy amin'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta any Centre Afrique no mingitrika

ary tsy tonga manatrika intsony ny filankevitry ny minisitra . Naneho ny fahasoaorany manoloana izany ny Faustin Archange Touadéra ka nanambara fa tena misy amin'ireo minisitra no maika fotsiny hampisongadina ny tenany any amin'ireo tambazotra ara-tsosialy fa tsy miasa akory ho an'ny fanatsarana ny fari-piainan'ny vahoaka sy mba handresena ny fahantrana.
FITAZONAN'AINA
Mampatsiahy ny zava-misy eto Madagasikara ity tranga any Centre Afrique ity, izay marihina aloha fa anisan'ireo tompondakan'ny ady an-trano sy fanonganam-panjakana aty Afrika. Ny eto Madagasikara indray dia mazoto tsara mivory ny minisitra, alefa mivantana amin'ny haino aman-jery sy amin'ny fa facebook mihitsy aza izany; fanazavana re izao, kabary re izao, fampanantenana re izao. Fa tsy tena hita aloha tato anatin'ny 6 taonan'ny fitondrana Rajoelina izay tena hoe fanatsarana ny fari-piainan'ny malagasy. Tsy ny hoe mizara fanampiana sy izao karazana tosika rehetra izao no atao hoe manatsara ny fari-piainana fa zavatra ara-toekarena. Io fizarazarana io dia tahaka ny hoe olona marary any amin'ny hopitaly dia asiana "serum" aloha hitazonana ny ainy, hanomezana hery azy, aorian'io vao tena mandeha ny fitsaboana na "traitememt".
TSY MAHAY E !
Fanontaniana : mandra-paha rahoviana no ho sesefana "serum" sy bobohana zavatra manala fanaintainana vetivety ny malagasy ? 2019 hatramin'ny 2024 , tsy nahita vahaolana amin'ny delestazy, vidim-bary, vidin'entana tsy mitsaha-miakatra ny fanjakana, potika ny ankabeazan'ireo lalam-pirenena, tsy fa ndriampahalemana efa tena tsy zaka intsony. Raha ny fivoriana ay atrikasa natao teto izay , tokony efa misy isaky ny kaominina ny drafim-panarenana ara-toekarena sy fandaharanasa matotra ho fanatsarana ny soaialim-bahoaka. Tsy izay anefa no misy fa mitombo isa ireo tsy ampy sakafo, tsy manana trano mendrika onenana, tsy afaka mitsabo tena ara-dalàna, tsy afaka mampiana-janaka. Natakalo teleferika, train urbain, autoroute, ny fiainan'ny vahoaka maro an'isa. An-jatony miliara ariary maro isan-taona no hanetsenana ny banga ao amin'ny jirama, ny seranam-piaramanidina vita, fa ny fiaramanidina tsy ananana, voatery mindrana sy manofa, kianja misy saingy any amin'ny firenen-kafa no miatrika lalao iraisam-pirenena ny ekipam-pirenena malagasy. Sempotra ireo orinasa amin'ny sehatra tsy miankina, maro no sahirana amin'ny famokarama sy fampandehanan-draharaha. Dia mbola sahy mirehareha ihany ireo mpitondra fa hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso. Efa mazava fa fitantanana tsy mahomby no fototry ny olana eto, tsy hay ny mandamina, tsy hay ny mametraka laharampahamehana, tsy hay ny misafidy izay olona tena mahavita ny asa, tsy hay ny mifampiraharaha amin'ireo mpamatsy vola. Tsy mahay kanefa midongy toerana sy sarotra ahitsy.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT