Toekarena

Toekarena sy fihariana Ambany ny tahan’ny fampindramam-bola any ambanivohitra


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

29% monja ny Malagasy tafiditra amin’ny rafitra mpampindrambola tamin’ny taona 2016 ary tanjona ny hampiakatra izany ho 45% amin’ny taona 2022.

 

 

 

Ny tontolo ambanivohitra no tena voakasiky ny tsy fisitrahana ireo fampindramam-bola ataona orinasa mpampindram-bola. Ankoatra ny tsy fahampian’ny fanentanana ny olona hiditra anatin’ny rafitra mpampindram-bola eny amin’ny tontolo ambanivohitra izay tsy ahafahany mahazo ireo tolotra dia matetika ny banky sy ny mpampindram-bola madinika mihitsy koa no matahotra mamatsy vola. Tsy afaka mihoatra amin’ny lalàna sy ny fombafomba (procédures) mifehy azy izy ireo ary fantatra fa ambony kokoa ny trangana tsy fahafahana mamerim-bola any amin’ny tontolo ambanivohitra. Etsy an-daniny dia tsy ampy ihany koa ny fanabeazana mahakasika ny ara-bola (education finançière) ka mahatonga ny Malagasy tsy hahafantatra ny tolotra sy ny tombony rehetra misy amin’ny fandraharahana ara-bola. Amin’izao fotoana izao dia misy ny tetikasa Ombona izay natomboka any amin’ny Distrikan’i Vatomandry. Tetikasa nisitrahana vehivavy miisa 464 sy lehilahy miisa 122 tolotra avy amin’ny Banky. Tsy nampirisihina fotsiny ireo olona ireo hampiasa vola fa nampianarina mihitsy ny amin’ny fitantanana rehefa hanao fandraharahana ara-bola. 3 taona ny faharetan’ny tetikasa izay iaraha-miasa amin’ny CARE International ary nametrahana ny fikambanana eny ifotony AVEC (Associations Villageoises d’Epargne et de Crédit). Miisa 25 ny fikambanana AVEC mahazo tombontsoa amin’io tetikasa io ary misy ny fiaraha-miasa amin’ny Telma amin’ny fametrahana vola ao anatin’ny finday ho an’ireo mpikambana. 8 ny kaominina voakasika ary voavaha ny fahasahiranana eo amin’ny tsy fisian’ny fampiasam-bola ahafahana manodina ny asa atao. Harahin’ny fiofanana momba ny fandrindrana ny fikirakirana ara-bola ihany koa izany mba handeha araka ny tokony ho izy. Ilaina ny findramam-bola entina hampiroboroboana ny asa atao ary tokony hipaka mihitsy amin’ny fampandrosoana ny faritra hisian’ny tetikasa izany.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT