Toekarena

Toekarena sy fandraharahana Nifanakalo hevitra tamin’ny GEM i Marc Ravalomanana


  • Talata 04 Desambra 2018

Vahiny nasain’ny fiombonan’ny orinasa eto Madagasikara (GEM) manokana ny Kandida Ravalomanana hiresaka momba ny fandraharahana eto Madagasikara.

 

 

 

Vory lanona ny rehetra nihaino azy tetsy amin’ny hotely Carlton omaly alatsinainy 3 desambra.«Afa-po tamin'ny fihaonana ny GEM satria nahazo valiny vonona» hoy Ramatoa Ramamonjiarisoa, filohany. Fanazavan-kevitra niaraka tamina fanontaniana maro samihafa no nitranga teny an-toerana izay mifantoka amin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny zavatra rehetra manodidina azy. Tena velon’ahiahy ny mpandraharaha eto amintsika hoy i Marc Ravalomanana. Manahiran-tsaina voalohany azy ireo ny resaka filaminana sy fiahiana ny tenan’izy ireo sy ny olona manodidina na mpiara-miasa aminy. Iaraha-mahita mantsy ny fakana an-keriny mpandraharaha izay nisesisesy nanomboka ny taona 2009. Eo ihany koa ny ahiahy momba ny fampiasam-bola ataony. Fahatelo manaraka izay dia lafo loatra ny vidin-jiro eto Madagasikara, hany ka tsy hahafahana mamokatra tsara sy mifaninana ary misy fotoana aza miteraka fatiantoka mihitsy. Fa ny tena lehibe dia velon’ahiahy amin’ny resaka fitoniana ireo mpandraharaha, ohatra iray noraisin’izy ireo izao ny hoe in’efatra niova praiminisitra ny fitondrana HVM. Avy eo anefa tsy misy fitohizan’ny asa fa samy manao izay tiany fotsiny. Misy ny manova ny resaka haba na manone fahazoan-dalana tampoka. Tao koa ny nampisondrotra ny zavatra tsy tokony hasondro-bidy akory. Manana vahaolana amin’izany aho, hoy i Marc Ravalomanana ary misy ny zavatra tsy maintsy hatsaraina na ovaina mihitsy. Nosinganiny  ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana tsy maintsy hanovana ny lalàmpanorenana satria tsy hahafahana miasa tsara sy mandroso io lalàmpanorenana iainantsika amin’izao io. Zavatra iray tsy maintsy himasoana ihany koa ny fitadiavana famatsiam-bola ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany (PMI, PME) ary hojerena akaiky ihany koa ny banky afaka hanohana ny mpandraharaha satria ambony loatra ny tahan’ny zana-bola alain’ireo banky misy eto Madagasikara amin’izao fotoana ka lasa sakana ho an’ny mpandraharaha. Tena nilaina ny fihaonana tahaka izao, hoy ny mpandraharaha satria nahafahana nahazo fanazavana maro ary efa mahavelom-bolo sahady ny amin’ny zavatra ho avy. Nanamafy moa i Marc Ravalomanana fa mifandray ny tsy fisian’ny fandriampahalemana sy ny tsy fahampian’ny asa. Nanentana ny mpandraharaha izy mba hamorona asa ka eo no hifanohanana sy hifanomezan-tanana. Tsy maintsy miasa miaraka mantsy ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT