Toekarena

Toekarena sy fampandrosoana Potika tanteraka i Madagasikara


  • Zoma 23 Martsa 2018

700 tapitrisa dolara na 2 234 428 000 000 Ariary ny vokatra an-dranomasina, 50 tapitrisa dolara na 159 602 000 000 Ariary ny volamena sy ny vato sarobidy aondrana isan-taona, 1 miliara dolara na 3 192 040 000 000 Ariary (1dolara=3192, 04Ar) ny trafikana andramena efa vita. Mampametra-panontaniana ihany, hoy i Serge Zafimahova hoe ahoana ny nivoahan’ireo kanefa nosy i Madagasikara ary roa ihany ny lalana : na mitaingina sambo na fiaramanidina.

 

 Tokony ho mora ny fanaraha-maso ny harena ara-boajanahary kanefa tsy voafehy satria tsy mba manana ireny sambo lehibe tahaka ny sambo mpiady ireny isika ohatra nefa tsy dia lafo ny vidin’ireny oharina amin’ny volabe miditra amin’ny harenantsika. Eo amin’ny sehatry ny orinasa tsy miankina dia anjakazakan’ny vahiny fa lazaina hoe tsy mahavita ny Malagasy. Ny karaman’ny gasy atao latsaka ambany dia ambany mihoatra ny vahiny izay mikarama ambony be. 1500 Euros na 5 915 340 Ariary (1Euro=3943.56Ar) hatramin’ny 10000 dolara na izany nefa ny tompon’andraikitra Malagasy ambony (cadre)zara raha tonga 2 000 000 Ar na 31 920 400 Ariary dia avy eo omena tsiny ny Malagasy hoe mangalatra. Rehefa izay dia atao ireny fitantanan’ny sehatra tsy miankina ireny (privatisation). Eo amin’ny lafiny ara-bola indray, Madagasikara tsy manana banky nefa izany no antoky ny fampandrosoana. Sarotra ny miditra amin’ny banky vahiny nefa rehefa apetraka an-trano ny vola dia lasan’ny jiolahy. Tsy misy firenena mandroso tsy manana banky izany kanefa banky vahiny daholo no eto amintsika. Tokony hisy farafaharatsiny ny bankin’ny paositra saingy tsy manao izany ny paositra Malagasy kanefa efa afaka mahazaka an’izany. Ny mahagaga aza moa dia nanao fifanarahana tamin’ny BOA indray ny paositra Malagasy fa hampiana masoivoho 150 asiana fisintonana vola (GAB) indray eto Madagasikara izay mainka hampiroborobo ny banky vahiny. Olana lehibe ihany koa ny eo amin’ny lafiny fampianarana, indrindra ny sehatra fanjakana. Potika tanteraka io sehatra io ankehitriny : BEPC ny mari-pahaizan’ny 80%-n’ny mpampianatra FRAM, any amin’ny toerana tsy misy mpampianatra aza moa dia ireo no mampianatra kilasy famaranana. Tsy mahagaga raha milatsaka ny vokatra amin’ny fanadinana isan-taona ary izany tsy mody hialana bala hoe be loatra ny kandida tsy anaty sekoly (libre). Ny politikam-pampianarana kitoatoa misy eto Madagasikara no tena anton’izany. Tsy misy firenena mandroso raha tsy mandroso ny fampianarana ary raha te hamotika firenena iray io sehatra io no potehana voalohany. Izany no mahatonga an’i Madagasikara potika tanteraka ary raha tsy misy ny fahatongavan-tsaina dia tsy hotafarina intsony ny Malagasy.

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT