Toekarena

Toekarena Sarotra fehezina noho ireo sehatra tsy manara-dalàna


  • Talata 01 Septambra 2020

Lesona lehibe tokony horaisina amin'izao krizy ara-pahasalamana izao dia ny fanomezana asa raikitra ny vahoaka sy mampiditra azy ireny amin'ny sehatry ny ara-dalàna.

 

 

 

 Miantraika mivantana amin'ny isan-tokatrano ity fihibohana ateraky ny valan'aretina Coronavirus ity ka anisan` ireo tena misedra fahasahiranana ireo mpivarotra sy mpanao asa an-tselika izay saika ny ankamaroan'ny Malagasy. Tsara ho marihana fa anaty rafitra tsy manara-penitra na tsy ara-dalàna ny 80% n’ny asa eto, izany hoe tsy misoratra ara-panjakana ary tsy mandoa hetra. Ary na ireo tsy mpivarotra aza dia lasa mivarotra izay azo amidy noho ny fahatapahan' ny asa. Ny eto amintsika dia tsy tena misy politika fanomezana vahana ny orinasa madinika (PME), hany ka lasa tsy ara-dalàna (informel) daholo ny ankamaroan'ireo asa miforona satria izay te hanara-dalana dia kenda amin resaka hetra ka ny zava-misy dia miroborobo amin'ny sehatra tsy ara-dalàna izay misehatra. Ireo orinasa lehibe anefa dia toa 2% monja raha ambony indrindra ny hetra alain` ny fanjakana eto amintsika nefa tsy latsakin` ny 60% ny avy ivelany. Ilaina ampitomboina arak'izany irony indostria goavana mpanome asa an'arivony irony, ary ireo misehatra eo anivon'ny tsy ara-dalàna dia sintomina tsikelikely hiditra ao anatin'ny fanarahan-dalàna.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT