Toekarena

Toekarena Nitotongana ny sandam-bola Ariary


  • Talata 26 Martsa 2019

Nitotongana indray ny ariary ka niakatra kely ny sandan’ny vola vahiny na dolara io na euro ; hita mba efa nahazo aina kely ny vola Malagasy tato anatin` ny tapa-bolana teo anelanelan`ny 8 ka hatramin`ny 20 martsa teo.

 

 

Raha ny hita omaly, tafakatra 4022,52 Ariary ny Euro iray, raha 3553,60 Ariary ny Dolara Amerikanina. Hisy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandron’ny olona sy ny toekarena Malagasy izany. Ho lafo kokoa mihoatra ny teo aloha ny vidin`ny entana ka hihena ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Hisy fiantraikany eo amin’ny vidin’ny solika ihany koa satria tsy maintsy haloan’ny mpandraharaha ara-tsolika ny elanelam-bidy ka hampakatra ny vidin’ny solika. Etsy an-kilany, mibitaka kely ny fanjakana fa nahazo tohana ara-bola amin`ny alalan` ny FEC andiany faha-4. Eo amin’ny lafiny politika anefa no mety hiteraka olana, indrindra eo amin’ny fahatokisana ilay governemanta mitsangana amin’izao satria io mety hisy akony eo amin’ny toe-draharaha ara-toekarena. Azo hitokisana ve io governemanta mitsangana io  ? Io fahatokisana io na tsia no hibaiko ny tsena sy ny fandraharahana :misy hanao tombantombana raha hitany fa metimety dia tsy hanangona entana, fa raha mifanohitra amin’izay dia misy hanangona entana sy hanangom-bary indray dia tsy hisy indray ny vary eny an-tsena ka hiaka-bidy. Tokony hojerena ny toe-draharaha politika eo amin’ny fifandraisana amin’ny fanakalozana volantsika sao vao mainka hampitotongana ny ariary, satria raha vao tsy marin-toerana ny toe-draharaha politika dia misy akony avy hatrany any amin’ny toekarena izany.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT