Toekarena

Toekarena Mitotongana tanteraka ny ariary


  • Talata 23 Janoary 2018

Tsy nitsahatra nitotongana ny vola Ariary tao anatin’ny telo volana farany manoloana ireo vola vahiny be mpampiasa eto amintsika. 3.950 Ariary ny vola eoropeanina ary 3.230Ariary kosa ny dolara.

Tsy mbola nisy izany fiakarana izany teto Madagasikara raha tsy tamin’ity fitondrana ity satria dia mananika ny 4000 Ar ny Euro. Ny fiakaran’ny fanafarana entana avy any ivelany nandritra ny fety no anisan’ny antony fa eo ihany koa ny rivodoza nifanesy teto Madagasikara ka nihena ny vola vahiny niditra. Maro tokoa mantsy ny sidina nofohanana tamin’ireny andro ratsy ireny. Na izany aza anefa dia mampiteny ny moana mihitsy ny zava-misy ankehitriny hoe inona loatra no mahavariana ny fanjakana fa saika potika daholo ny sehatra rehetra misy eto amintsika raha tsy hiteny fotsiny ny amin’izay lafiny toe-karena izay. Rehefa avy nampadalovina vidim-bary lafo ny Malagasy dia atao misedra zavatra hafa indray. Taratry ny fahantrana mianjady amin’ny vahoaka izao, indrindra ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitondra ankehitriny.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT